♦ Niadian-kevitra teny Ambatonakanga ny momba ny tsy maty manota sy ny zo tsy azo ivalozana ananan'ny solombavambahoaka. Tsy ampy ny fananganana vondrona samihafa miady amin'ny kolikoly hoy ny filohan'ny CSI Rabenarivo Sahondra fa zava-dehibe koa ny fandraisana andraikitry ny rehetra... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanjifa isika teto Madagasikara. Tany Toamasina no nanamarihan'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa izany... ♦ Miverina indray ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tanàna sy ireo fikambanan'ny mpivarotra ao amin'ny tsenan'Anosiala-Ambohidratrimo...
Voajanahary ny fitsipika sy ny lalàna ho an’ny fiaha-monina, lalàm-pitiavana no fepetra: tsy ho an’Andriamanitratra sy ny olombelona fotsiny fa natao ho an’ny firahalahian’ny olombelona. Mifampiankina ny fandrosoana amin'ny lafiny rehetra. Voajanahary ny fiaraha-monina noho izany voajanahary ihany koa ny fahefana ara-politika hitantanana ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 16 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)
♦ Antony iray mbola mampikatso ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, ny tsindry pôlitika, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana na ny CSI... ♦ Tsy voafaritra mazava tsara ny lalana mametraka ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto Madagasikara, hoy ny Vondrona Miaro ny Tombontsoa sy ny Zon'ny Mpanjifa na ny GARDUC... ♦ Manodidina ny 110 taonina isan'andro, ny fako raofin'ny Kaominina Ambonivohitr'i Toamasina, raha ny tatitra nataon'ny Ben'ny Tanana...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco