Maro ny fanamby atrehan'ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny, izay miantso ny tsirairay sy ireo fiaraha-monina ifotony hanadihady sy hitondra vahaolana maharitra mamaly ireny. Ny tsirairay miaraka amin'ny mpiara-belona aminy dia afaka mamantatra tsara sy manadihady ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainany mba hihavaozany sy handraisany anjara amin'ny fanavaozany ny fiaraha-monina misy azy. Miantraika amin'ny fampandrosoana manontolo ny fikarohana rehefa ny tsirairay sy ny mpiara-belona no tia mikaroka mba hitondra vahaolana maharitra azony... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Nampisabo-bola mitentina 240 tapitrisa Dolara, hananganana toby famokara herinaratra vaovao any Ranomafana, ny firenena sinoa... ♦ Mitaky ny famoahana ny didy mampisambotra iraisam-pirenena ho an'ireo Tale Jeneraly roa teo aloha tao amin'ny orinasa JIRAMA, ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Mikarakara fifaninana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasan'ny haino vaky jery, ny OJM sy ny fikambanan'ny mpanao gazety ara-panatanjahantena...

Ny Zoma Masina dia hanaovana fifadiana lehibe. Ho fandraisana anjara amin'ny fijalian'i Jesoa sy hibanjinana ny fanavotana. Ny Zoma dia fahatanterahan'ny Sorona dia Izy tenany sy ny namatsihana azy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesan'i Jesoa dia tsy ho an'ny Jody irery fa ho an'izao tontolo izao, na mpino na tsia. Katesizy momba ny Zoma Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Zoma 7 aprily 2023 — Zoma Masina — Fankalazana ny fijalian'ny Tompo — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...