Zoma 7 aprily 2023 — Zoma Masina — Fankalazana ny fijalian'ny Tompo — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)
Manasa antsika handinika bebe kokoa ny fiainantsika andavanandro ny tantaran’ny Evanjely anio. Tantara mampalahelo, tantara mampivarahontsana ny tantaran’ny fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika. Fomba fijery vaovao no indro nentintsika mandinika an’izany. Fomba fijery vaovao satria asaina isika tsy ho mpitazan-davitra fotsiny ihany, toy ireo mpijery fahitalavitra, fa asaina kosa hanova ny fiainantsika.
Betsaka amintsika no efa nanatrika ny fotoam-pitsarana ny havana na saikaizantsika izay fantatra fa nisy nitory na nigadra fotsiny izao noho ny fankahalana ; betsaka amintsika no nanatrika ny fitsaram-bahoaka kanefa ity olona niharan’izany fitsaram-bahoaka izany tsy noheverina velively hahavita na hahavanon-doza fa vokatry ny tondro molotra fotsiny ihany. Nanao ahoana anefa ny fomba niatrehantsika izany : mety nahatsiaro fahafaham-po fa hoe tratra ihany ilay nahavanon-doza nikoizana hatramin’izay ; nety nahatsiaro nalahelo ihany koa raha fantatra fa vokatry ny tondro molotra ; tsy te-hanatrika velively ny fitsarana ary tsy te-haheno ny didim-pitsarana akory… Toa maniraka antsika hanao zavatra, toa mampirisika antsika hikiaka, hitraotra manoloana ny tsy rariny, ny Evanjely eto fa tsy ho mpitazana fotsiny. Ny nahagaga anefa toa tsy nisy tamin’ireo olona nanatrika ny zava-nitranga nitsangana nijoro nilaza farafaharatsiny nanao hoe : “sao mba tsy rariny kosa izao e !”. Manana adidy ihany koa ireo mpitsara kristianina, mba hikatsaka mandrakariva ny marina sy ny hitsiny fa sao ny olo-marina indray no voaheloka ka ireo Barabasy indray no havoaka satria nandoa vola be na koa havako aman-tsakaizako e !
Misy zavatra mahatalanjona anankiray ihany koa eto dia ny fitonian-tsaina sy ny fitoniam-po nananan’i Jesoa, teo am-piatrehana ny fitsarana momba Azy. Fitonian-tsaina toa milaza ny fahavononany hiatrika ny zavatra hanjo Azy fa izany no sitrak’Andriamanitra Ray. Tsy nampiasa hery setra na tamin’ny fihetsika na tamin’ny teny nolazainy Izy. Norarany ireo mpianany mba tsy hanao toy izany ihany koa. Nasehony fa tsy mora ny manantanteraka ny sitrapon’Andriamanitra fa saingy mahatony ny saina sy ny fo amam-panahy bebe kokoa ny fanatanterahana an’izany, raha oharina amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny tena.
Ny fihetsika nasehon’iretsy mpianatra kosa no ndeha hamaranantsika ny fifampizarana izao : ireo mpianatra nofidiny sy niara-monina taminy, toa nandositra ny ankamaroany. I Piera notendrena ho filoha toa namadika tamin’ny ora farany. Zava-baovao ho azy ireo izany. Mila mahay mandray ny zava-baovao isika miaraka amin’Andriamanitra ; mila vonona ny handray ny zava-baovao am-pinoana ; koa angataho ary Andriamanitra mba hampitombo ny finoantsika hatrany ; hanome antsika hery sy tanjaka hiatrehana ny mafy sy ny mangidy raha sendra ka ho tonga izany indray andro any.