♦ Efa vonona amin'ny Sorona Masina rahampitso hametrahana ny Eveka vaovao Mgr Zygmunt Robaszkievitcz ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga. Nankalazaina tao Mahajanga ihany koa androany ny andro eran-tany faha-38 ho an'ny marary sy ireo mpikarakara azy... ♦ Maherin'ny 9.906.000 isa hatramin'ny omaly ireo olona tafiditra ao anatin'ny lisim-pifidianana araka ny antotanisa navoakan'ny CENI. Mihoatra ny 70% avokoa ny antotanisa ho an'ireo renivohim-paritany rehetra ankoatra ny eto Antananarivo... ♦ Nandroso hevitra hidirana anatin'ny tetezamita ny Vovonana Gasy Leo, aorian'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Filoham-pirenena ankehitriny ny volana janoary 2024. Tsy tomombana hoy izy ireo ny fanomanana ny fifidianana...

♦ Nanolotra ny datin'ny alakamisy 09 novambra 2023 hanaovana ny fhodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny CENI. Ho tontosaina ny alarobia 20 desambra 2023 kosa ny fhodinana faharoa. Efa any amin'ny governemanta andrasana fankatoavana ny vinavinan'ny datim-pifidianana amin'ity taona ity hoy ny CENI... ♦ Higadona an-tanindrazana anio tolakandro ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery rehefa nonina tany Frantsa nanditra ny efa-taona. Manomana fandaminana hitsenana azy ny birao politikan'ny HVM... ♦ Nanambara ny Ministry ny asa vaventy teo aloha, Ratsiraka Roland fa namatsiana ny orinasa JIRAMA ny vola 600 miliara Ariary tokony hikojakojana ny lalana...

Ny Batemy dia mandrisika ny kristiana amin'ny fahehoana halemem-panahy, ny fahasahiana miteny sy mananatra am-pitiavana, fijoroana amin'ny fahamarinana. Tsy azo atao mihitsy ny milona ao anatin'ny toe-javatra ratsy anefa mitondra ny anaran'i Kristy. Endriky ny fitiavan'Andriamanitra isika rehetra eo amin'izay hatao, mila atambatra ny hery hiasa ho fanehoana izany fitiavana izany. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Sabotsy 11 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...