Zoma 24 febroary 2023 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)
♦ Nahatontosa ny atrik'asa fandravonana entina hiatrika ny Sinaody momba ny "Eglizy miara-dia", eo amin'ny dingana kaontinantaly, ireo solontenan'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny hisian'ny solontenan'ny mpanao pôlitika ao anatin'ny CENI, ny vondrona Panorama, raha nifamory teny Soarano... ♦ Misy tsy firindrana ny fitantanana ny rano any amin'ny lakan-dranon'i Dabara, any Morondava. Mpamboly 3000 eo no mitaraina ho tsy ampy rano hambolena, ka nanome fe-potoana hitadiavam-bahaolana, hatramin'ny faran'ny volana marsa izao...
♦ Namafisin'ireo solombavambahoaka miisa 28 nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta farany teo fa tsy mifanraka amin'ny lalàna ny nampiatoana izany. Nanatitra fitoriana any amin'ny Filan-kevitra ambony ho fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna indray izy ireo... ♦ Hifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona voavao ao Antananarivo renivohitra ny antoko Tiako i Madagasikara rahampitso. Eny Tanjombato kosa no hanaovana ny lanonana amin'ny sabotsy ho avy izao ho an'Antananarivo-atsimondrano... ♦ Hikarakara fifaninana ho an'ireo tanora mpandraharaha avy amin'ny Faritra 23 ny federasiônan'ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria sy ny orinasa mpiara-miombon'antoka aminy...
Ny fahatsiarovana ny maha olom-pirenena vanona dia mitondra fahatsaram-piainana sy fivoarana ary fandrosoana ao anatin'ny filaminana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco