Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 8, 5-8. 14-17)

Nametrahany tanana izy ireo ka nandray ny Fanahy Masina.

Tamin’izany andro izany,
i Filipo Diakra, dia nidina tany an-tanànan’i Samaria,
ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be,
ka nihaino tsara izay nolazainy.
Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto
no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy;
betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;
ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!
Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema
fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria,
dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany.
Nony tonga tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona
mba handraisany ny Fanahy Masina;
satria vita Batemy tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo izy ireo,
fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza.
Dia nametrahany tanana izy ireo,
ka nandray ny Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 65, 1-3a. 4-5. 6-7a. 16 sy 20

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo;
antsao ny Anarany be voninahitra.
Ataovy mafy ny antso fideràna Azy:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.

Miankohoka aminao ny tany tontolo
sy miantsa ny Anaranao, miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra,
mahatahotra ny ataony ho an’ny olombelona.

Ny ranomasina novàny ho tanety,
nandehanana tongotra ny ony.
Koa aoka isika hifaly aminy.
Ny heriny manapaka mandrakizay.

Tongava ianareo matahotra ny Tompo,
hitantaràko izay nataony tamiko.
Hisaorana anie Andriamanitra:
Ny fitiavany tsy nalàny tamiko.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 15-18)

Novonoina tamin’ny nofo i Kristy fa novelomina tamin’ny fanahy.

Ry hava-malala,
i Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo.
Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana,
an’izay rehetra manontany anareo
ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo,
mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra
no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara
ataonareo ao amin’i Kristy.
Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana,
raha izany no sitrapon’Andriamanitra,
toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.
Na i Kristy koa aza,
niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika,
dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra,
ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo,
dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 15-21)

Hangataka amin’ny Raiko Aho, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray,
ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo,
mba hitoetra eo aminareo mandrakizay,
dia ny Fanahin’ny fahamarinana,
izay tsy azon’izao tontolo izao raisina,
satria tsy hitany, ka tsy fantany,
fa ianareo no hahafantatra Azy,
satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.
Tsy havelako ho kamboty ianareo,
fa hankaty aminareo Aho.
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao;
fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho,
ary ho velona koa ianareo.
Amin’izany andro izany,
dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko,
ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy;
ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko sy ho tiako koa,
ka haneho ny Tenako aminy Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...