♦ Tontosa araka ny fomban'ny Eglizy, omaly alahady, ny fametrahana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona ho Eveka Mpanampy ho an'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Maherin'ny 305.000 ny isan'ireo mpiadina BEPC manerana ny nosy. Hanomboka anio ary haharitra efatra andro ity fanadinam-panjakàna ity... ♦ Kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo Andriamatoa Ravalomanana Marc, filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM... ♦ Hihaona amin'ireo tompon'andraiki-panjakàna isan-tsokajiny ny filoha frantsay manomboka anio. Tanjona ny hamantarana ny antony niavian'ny herisetra ao Frantsa...

Raha ity lohahevitra ity no raisina dia azo ambara fa maneho ny maha izy ny kristianina tsirairay avy ny fanajana ny tontolo iainana. Izany hoe: mamaritra ny toe-piainana sy ny adidy tokony atao mba ho voninahitr’Andriamanitra voalohany indrindra ary ny faharoa dia mba ho fiadanana ho antsika olombelona. Ny hoe kristianina dia tsy hoe mankatoa an’A/tra fotsiny, fa manaja ihany koa ireo noahariany. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany. 

3 jolay 2023 — Masindahy Tômà, Apôstôly — Fety — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita, hoy ny Tompo; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 24-29)

Ny zava-boahary, tontolo iainana dia midika hoe : fanomezan'Andriamanitra ankininy amin'ny olombelona ; asan-tanan'Andriamanitra ; voninahitr'Andriamanitra, itarafana ny hatsarany ; soa ho an'ny olombelona ; adidy sy andraikitry ny olombelona indrindra ny fikarakarana sy ny fampivoarana azy ; voalahatra ho amin'ny famonjena ; manampy ny olona amin'ny litorjia, miray feo aminy midera ny Mpahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa. 

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...