♦ Nizotra tamim-pilaminana amin'ny ankapobeny, ny andro voalohany tamin'ny fanadinam-panjakana BEPC. Heverina hivaly afaka tapa-bolana ny fanadinana, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Ho vita ao anatin'ny roa volana ny fotodrafitr'asa famatsiana rano fisotro madio, ho an'Anivorano Avaratra, any amin'ny Distrikan'Antsiranana II... ♦ Kara-tany faobe miisa 37000 no kendren'ny Tetikasa Tafita hozaraina amin'ity taona ity, eto Analamanga sy any Itasy, raha toa ka 14000 no efa voazara...

♦ Hibahan-toerana amin'ny vaovao entina amintsika izao ny akon'ny fanamasinana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hafatra nentin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, mahakasika ny fandaminana amin'ny fisaorana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona sy ny fandraisana ny Arseveka vaovao...

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 21, 5. 8-20)

Tsy mahazo miray lova amin’i Isaaka zanako ny zanak’io mpanompovavy io.

Efa zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Isaaka zanany.
Nihalehibe ny zaza dia notàzana.
Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Ilay zanak’i Agara Ejipsianina naterany tamin’i Abrahama kosa,
hitan’i Sarà fa nihomehy, ka hoy izy tamin’i Abrahama:

“Roahy io andevovavy io sy ny zanany;
fa ny zanak’io andevovavy io
dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako,
amin’i Isaaka.”

Nampalahelo mafy an’i Abrahama izany teny izany,
noho ny amin’ny zanany.
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama:

“Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao,
fa na inona na inona angatahin’i Sarà, ekeo avokoa,
satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao,
satria terakao izy.”

Dia nifoha maraina koa i Abrahama,
ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray;
nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa,
dia nalefany izy.
Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra,
dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza;
ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny
sahabo ho tra-tsipìka; fa hoy izy:

“Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.”

Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany.
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza,
ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra
dia niantso an’i Agara nanao hoe:

“Fa maninona izato ianao, ry Agara?
Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza,
ao amin’ny toerana misy azy.
Mitsangàna ianao, areno ny zaza, ka tantano izy;
fa hataoko firenena lehibe izy.”

Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara,
nahita lavaka fantsakana izy,
ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra,
dia nampisotroiny ny zaza.
Nomban’Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe;
ary nonina tany an’efitra izy,
sy tonga mpandefa tsipìka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 7-8. 10-11. 12-13

Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.

Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa inona.

Avia, rey anaka, mihaino ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo!
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)

Tonga Ianao hampijaly ny demony amin’izao fotoana izao.

Tamin’izany andro izany,
nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa,
dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony,
nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy;
masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.
Ary indreo izy niantso hoe:

“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra?
Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao aty?”

Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny,
ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe:

“Raha dia roahinao hiala eto àry izahay,
mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy.”

Ary hoy Izy taminy:

“Mandehana.”

Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa;
niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra,
ka maty tany anaty rano.
Ary nandositra ny mpiandry azy:
ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany,
sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.
Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa,
ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nilamina amin'ny ankapobeny ny tapakandro voalohany amin'ny BEPC... ♦ Miatra manomboka amin'ity alatsinainy ity ny antso nataon'ny sendika ivondronan'ireo teknisiana momba ny sarin-tany izay nanovo fahalalana tany Mantasoa. Antso amin'ny handraisan'ireo mpisehatra ity asa ity fepetra manoloana ny olana misy amin'ny tontolon'ny fandrefesan-tany ankehitriny... ♦ Andrasana rahampitso raha tsy misy ny fiovàna ny ho fanampahan-kevitry ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly na ny PAC manoloana ilay vadin-tany nampidirina am-ponja vonjy maika any Mahajanga...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...