Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 10-11)

Mahatanteraka izay tiako ny teniko.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra
ka tsy miverina any raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 33, 4-5. 6-7. 16-17. 18-19)

Esorin’ny Tompo amin’ny olo-marina ny ahiahiny rehetra.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjìna Azy fa ho mirana
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo,
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina,
ny sofiny amin’ny tolokon’ireo.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.

Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo,
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra..

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Koa mivavaha toy izao ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.
Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo,
fantatry ny Rainareo izay ilainareo.

Koa mivavaha toy izao ianareo:

Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay
ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.

Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo,
dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;
fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Levitika (Lev. 19, 1-2. 11-18)

Ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

“Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, lazao aminy hoe:
Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, Tompo Andriamanitrareo.
Aza mangalatra, aza mifamitaka na mifandainga ianareo.
Aza mianian-tsy tò amin’ny Anarako, fa fanamavoana ny Anaran’ny Andriamanitrao izany.
Izaho no Tompo. Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy.
Aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikarama.
Aza manozona ny marenina, na mametraka eo alohan’ny jamba izay zavatra mety hamotraka azy,
fa matahora an’Andriamanitrao.
Izaho no Tompo. Aza manao ny tsy rariny amin’ny fitsarana,
ny mahantra aza ananana tombom-pitia,
ny manankarena aza ananana fankasitrahana,
fa ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.
Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao.
Ary aza mitsangan-ko vavolombelona handatsaka ny ran’ny namanao.
Izaho no Tompo. Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao,
fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao.
Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Tompo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 18, 8. 9. 10. 15)

Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny Didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny Fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny Baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Ho sitraka eo anoloanao anie,
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry Ilay mpanavotra ahy!

Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)

Isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona otronin’ny Anjely rehetra,
dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra
ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy;
ny ondry moa hataony eo ankavanany, ary ny osy kosa eo ankaviany.

Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo an-kavanany hoe:

‘Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko,
handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Fa noana Aho, nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, notafianareo;
narary Aho, novangianareo;
tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo.’

Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe:

‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina;
nangetaheta ka nomenay hosotroina?
Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay,
na tsy nitafy ka notafianay?
Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay?’

Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao hoe:

‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany
tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo,
dia nanao izany tamiko.

Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe:

‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay
izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny.
Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, tsy notafianareo;
narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.’

Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe:

‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao,
na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy,
na narary na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy Anao izahay?’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny tsy nanao izany
tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo,
dia tsy nanao izany tamiko koa.’

Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo,
fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 20, 4-10)

“Niaiky ny finoany ilay vahoaka voafidy”.

Hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:

Horaisin’ny mpisorona ny sobika eny an-tananao,
ka hapetrany eo anoloan’ny ôtelin’ny Tompo Andriamanitrao.

Ary hiteny eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao ka hanao hoe:

Ny raiko dia Arameanina efa saika maty;
nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany;
tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.
Mafy ny nitondran’ny Ejipsianina antsika, fa sady nampahory antsika izy,
no nampanao fanompoana mavesatra antsika.

Koa nitaraina tamin’ny Tompo Andriamanitry ny razantsika isika,
dia nohenoin’ny Tompo ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika,
sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika,
ka tanana mahery, sandry ahinjitra,
fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana,
no namoahan’ny Tompo antsika avy tany Ejipta.
Nitondra antsika ho amin’ity toerana ity Izy,
ary nanome antsika an’ity tany ity,
dia tany tondra-dronono sy tantely.
Koa ankehitriny, ry Tompo,
inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy.
Dia hapetrakao eo anoloan’ny Tompo Andriamanitrao izany,
ka hiankohoka eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitrao ianao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 90, 1-2. 10-11. 12-13. 14-15

Ombao aho, ry Tompo, amin’ny androm-pahoriako.

Monina ao amin’ny efitry ny Avo
sy mitoetra amin’ny alok’ilay Mahery
ny olona manao hoe:
“Ny Tompo no mandako,
Andriamanitro, aroko sy tokiko!”

Ny anao, ny Tompo no ifefena,
ilay Avo no ialofana:
koa tsy tratran’ny antambo ny tena,
tsy akekezin’ny loza ny fonenana.

Ny Anjeliny nomeny baiko ny aminao
hiaro amin’ny lalana rehetra:
ka ireo dia hitrotro,
ndrao ny tongotra tafintohina;
ny bibidia, ny menarana diavina;
ny vanto-diona sy dragona hitsahina.

Miraikitra amiko izy, ka vonjeko;
mahalala ny Anarako, dia arovako:
raha miantso, valiako;
raha ory, tsy ilaozako.
Eny, izaho manafaka azy,
mandray amin’ny fanasàko.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 10, 8-13)

Raha mino an’i Kristy ho Tompo ianao dia ho voavonjy.

Ry kristianina havana: hoy ny voalazan’ny Soratra Masina:
Eo akaikinao ny Teniny fa eo am-bavanao sy ao am-ponao,
dia ny teny finoana izay torìnay.
Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo,
sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona,
dia ho voavonjy ianao.
Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana;
ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena,
araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:
Izay mino Azy tsy mba ho menatra.
Tsy misy hafa na Jody na Jentily;
satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra,
manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 1-13)

Nentin’ny Fanahy tany an’efitra Izy, ary nalaina fanahy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina
ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro,
sady nalain’ny devoly fanahy Izy,
no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany;
ka noana nony tapitra izany.
Dia hoy ny devoly taminy:

“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Efa voasoratra hoe:
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra”.

Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy,
ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao,
ary hoy izy taminy:

“Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny,
satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa.
Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy”.

Fa izao no navalin’i Jesoa azy:

“Efa voasoratra hoe:
Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao,
ary Izy irery ihany no hotompoinao”.

Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy,
ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe:

“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any;
fa efa voasoratra hoe:
Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny,
ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”.

Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Efa voasoratra hoe:
Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao”.

Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly,
dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Maro ireo sakana tsy mampivoatra ny olombelona ; misy hery mahasoa fanararaotra ao amin'ny olombelona iray dia ny hery miabo, misy koa ny hery miiba izay hery ratsy manimba. Io hery miabo io no misarika ireo soa, harena ho an'ny olombelona iray. Ny hery miiba kosa dia mitondra zavatra ratsy, noho izany dia tokony hialana ny fahatezerana, tsy fananana faharetana, tsy fanetrentena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...