♦ Natomboka androany ny fihaonana voalohany teo amin'ireo solontenan'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, miaraka amin'ireo Mpikambana Maharitra eo anivon'ny CENI. Tsy nisy afa-tsy solontena roa no namaly ny antso... ♦ Namoaka fanambarana indray ny firahahamonim-pirenena Rohy, ary nilaza fa tsy maintsy miverina amin'ny fanapahan-keviny, mametraka ny Filohan'ny Antenimieran-doholona ho Filohan'ny Repoblika ny HCC... ♦ Mbola tsy niverina, amin'ny ankapobeny, ny fampianarana teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, raha ny fanadihadiana natao teny Ankatso androany...
♦ Tontosa omaly ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ho Evekan'Antsirabe... ♦ Ny famelan-keloka no rivotra mamelona, manadio ny rivotra voaloton'ny fankahalana, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarany nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Tsy amin'ny fampiasan-kery na amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana no hanorenana ny ho avy, fa amin'ny alalan'ny halemem-panahy, hoy ny Papa François, nandritra ny fihaonany, tao Roma, tamin'ireo vondron'olona mpino avy any Corée Atsimo, ny 16 septambra 2023...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 6, 13-16)
Ry malala,
izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra,
mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa,
izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty:
tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy,
hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany,
dia ilay Andriamanitra sambatra,
Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana,
mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina,
tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy,
ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra:
fa Azy isika satria noarìny,
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera:
derao Izy Tompo; ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo!
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 4-15)
Tamin’izany andro izany,
nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa,
dia nanao fanoharana Izy hoe:
“Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka
no notsindrohin’ny voro-manidina;
ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka,
nefa nalazo satria tsy nisy mando;
ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo,
dia voagejany;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry,
dia namoa injato heny.”
Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe:
“Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”
Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany,
ka izao no navaliny azy:
“Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy,
mba hijery izy fa tsy hahita,
ary handre fa tsy hahafantatra.
Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany:
Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra.
Ireo teny an-dalam-be no izay nandre,
fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony,
sao mino izy ka ho voavonjy.
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana,
nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana,
fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre,
fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena
ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.
Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa
no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim 6, 2d-12)
Ry malala,
fantatrao izay tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona.
Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany,
ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika,
sy ny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,
dia olona mpieboebo foana izany,
sy tsy mahalala na inona na inona,
fa adalan’ady hevitra aman’ady teny,
izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana,
fiahiahian-dratsy, fifanoherana tsy misy farany,
fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana,
ka manao ny fivavahana ho filan-karena.
Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka omban’ny fianìnana;
satria tsy nitondra na inona na inona isika
no niditra tamin’izao tontolo izao,
ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto:
koa rahefa manan-ko hanina sy hitafiana,
dia aoka hianina amin’izany.
Fa izay te-hanan-karena,
dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy
sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza,
izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,
ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana,
sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra,
handositra izany zavatra izany,
fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka,
finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana,
ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao,
sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 48, 6-7. 8-10. 17-18. 19-20
Nahoana aho moa no hatahotra loza
hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony?
Ireo fahavaloko mirehareha,
fa manana ka manontany ny ory.
Fa angaha misy olona maha-avo-tena,
na hoe afa-mahaloa tamby amin’ny Tompo?
Satria lafo loatra tokoa ny avotr’aina,
tsy voavidim-bola na oviana na oviana.
Raha misy misondrotra manan-daza.
Angaha ny hareny manaraka azy?
Raha maty izy
hankaiza ny fahamboniany?
Endrey izany lazany teo aloha
nohasohasoiny any an-tampon-doha.
Izao tafaray amin’ny Razany izy,
tsy hahita mazava mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra,
nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany
nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina,
dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,
i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda,
ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa
izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco