♦ Navotsotra ary navela nody ny mpanao gazety Gascar Fenosoa, taorian'ny nampiantsoana azy teny Fiadanana. EFa nohadihadiana ihany koa i Christian Tabera, taorian'ny fisamborana azy ny alakamisy teo... ♦ Tsy tanteraka omaly ny fifanatrehana mivantana teo amin'ireo solombavambahoaka sy ireo mpikamban'ny Governemanta. Iraka no nalefan'ny Governemanta nanangona taratasy mirakitra ny fanontanian'ireo eo anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Homarihana anio ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly. Hikarakara loabary an-dasy momba ny fanodikodinana ny volam-panjakàna etsy amin'ny fiobeny etsy Ambohibao ny Bianco, entina hanamarihana izany...

 

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...