Alahady voalohany amin'ny karemy : te hiavana amintsika Andriamanitra ; tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra haloakan'ny vavan'Andriamanitra. Miditra amin'ny vanim-potoana karemy izay maharitra 40 andro isika ary ny alarobian'ny lavenona no nanombohantsika izany. Mila manao dingana isika ho amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra : manao ezaka hiala amin'ny fahazaran-dratsy, manao asa fivalozana sy asa soa, hifady anina sy hifehy tena. Andriamanitra dia manao dingana voalohany mba hiavanany amintsika olombelona : izy Andriamanitra dia nanao fanekem-pihavanana tamin'ny olombelona sy amin'ny taranaka mandimby, tahaka ny tantaran'ny safo-drano.
18 febroary 2024 — Alahady Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)
Ny tsy fahampian-drà dia ny tsy fahampian'ny sela mena ao anatin'ny ra. Ny sela anatin'ny ra dia misy karazany telo : sela mena, sela fotsy, ary ny atao hoe "plaquette". Rehefa tsy ampy ny sela mena anatin'ny ra dia mitarika ny fidinan'ny tahan'ny "oxygène" ao anatin'ny ra sy ny taova manontolo, ary tsy araka ny tokony ho izy ihany koa ny famoahana ny "gaz carbonique". Fambara : hatsatra, reraka, fanina matetika, mangatsiaka ny ratsam-batana, marary andoha matetika... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Fitaovam-pandanjàna sy famaràna maromaro an'ireo mpivarotra ety Ivato no giazan'ny ministeran'ny varotra sy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nahazoana vokatra tsara ny tetik'asa JM CT Jeunesse Malagasy Compétente au Travail, nandritra ny 6 taona niasany teto Madagasikara... ♦ Tokony hampitohy ireo tanan-dehibe hafa manitona mpizahan-tany ny zotram-piaramanidina hataon'ny Fly Emirates fa tsy Antananarivo sy Nosy-be ihany hoy ireo mpandalina eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ♦ Voaheloky ny fitsarana tany New York handoa onitra mitentina 355 tapitrisa Dolara ny filoha Amerikana teo aloha Donald Trump... ♦ Niala tao amin'ny tanànan'i Av Divka faritra Atsinanan'i Ukraine ny tafika Ukraniana...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco