26 aprily 2024 — Zoma, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

♦ Kandidà efatra no henjehina ara-pitsarana amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Ny roa amin'ireo no naiditra am-ponja vonjimaika... ♦ Niakatra 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitriny. Tsy misy afa-tsy 35% io taha io, noho ny fielezan'ny tsaho nandritra ny krizin'ny Covid-19, teto amintsika... ♦ Mpitsidika maherin'ny 22.000 no andrasana mandritra ny FEPA andiany faha-16, eny Nanisana. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany io hetsika momba ny famokarana io...

♦ Mbola olana goavana eto amin'ny firenena ny kolikoly eny amin'ny fitsarana hatreny amin'ny fonja. Tsy ampy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana hoy ny transparency international initiative Madagascar... ♦ Nasaina manokana nanatrika ny filan-kevitry ny ministra omaly ny teknisiana eo anivon'ny Banky Iraisam-pirenena, izay mpiara-miombon'antoka amin'ny Madagasikara eo amin'ny tetik'asa momba ny rano... ♦ Hahafantatra zava-baovao ankoatra ny voly fanondrana lavanila, ireo hanatrika ny andiany fahasivy amin'ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny faritra Sava, hoy ny governoran'ny Faritra Teddy Gervais Seramila... ♦ Maty nandritra ny tafika an'habakabaka nataon'ny Tsahal, ny antsasak'isa tamin'ireo mpitari-tafiky ny Hezbollah...

Ny mitaiza dia  fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...