29 aprily 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 21-26)

Ny fibeazana dia fandraisana an-tanana ny fiainan'ny tena. Ny fanabeazana, any ifotony dia azo ao an-tokantrano sy eny amin'ny fiaraha-monina, amin'ny sehatra samihafa. Manana adidy ny tsirairay manoloana ny fanabeazana sy ny fibeazana ; mila manao ezaka isika haneho ny fahalalam-pomba, ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny, ny fitsinjovana ny tombontsoa iombonana. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", fandarahana atao eto amin'ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy hatrany : manana hatsaram-panahy i Rebeka satria rehefa nangataka rano taminy ilay mpanompo dia nanome an-tsitrapo izy ; ny hatsaran-tarehiny dia tsy nahatonga azy hiavonavona fa kosa sariaka amin'ny olona tsy fantany. Nanana zotom-po i Rebeka ary nahay nandray vahiny, nahay nandanjalanja fanapahan-kevitra ihany koa izy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Alahady fahadimy fankalazana ny Paka : Ny tena apôstôly dia matoky, mifankatia ary tsy matahotra ; mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be. Raha tsy mitoetra ao amin'i Jesoa isika dia ho noana, ary mety hofaty aza. Ny finoana tonga lafatra tamin'ny alalan'ny Batemy no mampiombona ny olona amin'i Jesoa. Ny tokony hataontsika mba hamokatra ny sampam-boaloboka dia ny firaiketana amin'i Jesoa kristy, ary manao ny ezaka mba haneho sy hitory azy eny amin'ny fiaraha-monina. Ezaka tsy maintsy hataon'ny tsirairay : fialana amin'ny fahazaran-dratsy, ny fitiavan-tena, fahotana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...