Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 11, 18-20)
I Jeremia niteny tamin’ny Tompo hoe:
“Nampahalalain’ny Tompo aho ka nahalala;
nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!
Izaho, tamin’izany,
hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina,
ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:‘Fongory mbamin’ny voany ny hazo!
Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy,
ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!’Mitsara ara-drariny anefa ny Tompon’ny tafika;
mamantatra ny soa sy ny fo Izy.
Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,
fa Ianao no efa nanankinako ny adiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 7, 2-3. 9bd-10. 11-12)
Ry Tompo Andriamanitra ô! Ianao no ifefeko.
Vonjeo amin’ny mpanenjika rehetra aho:
ndrao izy ho toy ny liona mandrotika,
mamiravira tsy misy mirombaka.
Tsarao araka ny fahamarinako aho, ry Tompo,
sy araka ny tsy fananako tsiny, ry Ilay Avo.
Valio ny haratsian’ireo ratsy;
ny olo-marina kosa ajoroy
ry Mpandinika ny fo sy ny saina,
ry Andriamanitra marina.
Ny Mpanao soa ahy dia Andriamanitra,
ilay Mpamonjy ny mahitsy fo.
Andriamanitra Mpitsara marina,
tsy mba mitezitra isan’andro
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)
Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka,
ny sasany nanao hoe:
“Ity tokoa no Ilay Mpaminany”;
ny sasany nanao hoe:
“Ity no Kristy”;
fa hoy kosa ny sasany:
“Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?
Tsy voalazan’ny Soratra Masina va
fa avy amin’ny taranak’i Davida,
sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida
no hiavian’i Kristy?”
Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.
Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy;
saingy tsy nisy sahy nitana Azy.
Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila,
ka nilazan’ireo hoe:
“Ahoana no tsy nitondranareo Azy?”
Fa hoy ny navalin’ny miaramila:
“Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.”
Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo:
“Ianareo koa angaha voasolokiny?
Jereo ange raha mba misy loholona
na Farisianina iray akory nino Azy?
Ary raha izay vahoaka foana
tsy mahalala ny Lalàna akory,
dia olona voaozona ireny.”
Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo,
no nanao taminy hoe:
“Moa ny Lalàntsika va manameloka olona
raha tsy efa re aloha ny teniny,
ka fantatra koa izay nataony?”
Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:
“Ianao koa ve avy any Galilea?
Diniho dia ho hitanao
fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.”
Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fah. 2, 1a. 12-22)
Tamin’ny faniasiavan’ny sainy no nifampilazan’ireo ratsy fanahy hoe:
“Ifanakony ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika,
manìny antsika amin’ny fandikantsika ny lalàna
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra
amin’izay nampianarana antsika.
Mihambo ho manana ny fahalalana an’Andriamanitra izy,
ary hataony hoe zanak’Andriamanitra ny anarany.
Faniniana ny hevitsika izy ho antsika
ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza;
satria tsy mba tahaka ny an’ny olon-kafa ny toe-piainany
ary ny lalany hafahafa.
Araka ny heviny, isika dia faikan-java-maloto foana,
ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto:
ny anjaran’ny marina, torìny ho tsara miafara;
ary mirehaka ho manana an’Andriamanitra ho rainy izy.
Aoka ho zahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy,
eo am-pialana amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina,
dia arovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.”
Izany no hevitr’izy ireo;
diso hevitra anefa izy;
fa jamban’ny haratsiany.
Tsy mahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy,
tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana;
ary tsy mino fa hisy valisoa ho an’ny fanahy madio.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 33, 17-18. 19-20. 21 sy 23)
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo.
Ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan’ny Tompo amin’izy rehetra.
Ny taolany ambenany avokoa,
ka tsy ahatapahana iray akory.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy izay mifefy aminy!
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay..
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea,
satria nitady hahafaty Azy ny Jody.
Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay.
Kanjo nony lasa ny rahalahiny,
dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy,
saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.
Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe:
“Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?
Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io,
ka no tsy misy sahy miteny Azy akory?
Sao dia efa fantatry ny loholona kosa
fa io no i Kristy?
Ny niavian’Izy io anefa fantatsika;
fa ny hiavian’i Kristy kosa
tsy misy hahalala rahefa tonga Izy.”
Dia niantso àry i Jesoa
tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly
ka nanao hoe:
“Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako.
Nefa tsy tonga ho Ahy Aho,
fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.
Izaho no mahalala Azy,
satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy.”
Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona,
kanefa tsy nisy sahy nitana Azy,
satria tsy mbola tonga ny fotoany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 32, 7-14)
Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
“Mandehana midina ianao fa nanao ratsy be vava
ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.
Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombany;
nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo,
dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy,
ary nanao hoe:‘Ry Israely, io no andriamanitrao,
izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.’”
Dia hoy indray ny Tompo tamin’i Môizy:
“Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io.
Koa ankehitriny avelao Aho,
aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko;
fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.”
Nifona tamin’Andriamanitra Tompony anefa i Môizy ka nanao hoe:
“Nahoana ny fahatezeranao, Tompo ô,
no dia hirehitra amin’ny vahoakanao,
izay navoakanao avy any amin’ny tany Ejipta,
tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery?
Nahoana no dia hahazoan’ny Ejipsianina hilaza hoe:‘Ny namoahany azy dia mba hampidi-doza aminy,
mba hamono azy any an-tendrombohitra,
ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany.’Koa ialao re ny fahatezeranao mirehitra;
aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao.
Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao
izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny tenanao hoe:‘Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo
ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany,
ka hanjakany mandrakizay.’”
Dia nanenenan’ny Tompo ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 105, 19-20. 21-22. 23)
Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombalahy homana ahitra!
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra tany an-dRiakan-jozoro.
Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanohana ny havinirany tsy hahavoa.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:
“Raha Izaho ihany no manambara ny tenako,
tsy marina ny fanambaràko;
fa misy hafa izay manambara Ahy,
ary fantatro fa marina ny fanambaràny Ahy.
Naniraka tany amin’i Joany ianareo,
ary nanambara ny marina izy.
Tsy dia ny fanambaràna avy amin’olona anefa no iankinako,
fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava,
ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Fa manana fanambaràna manoatra an’i Joany Aho,
satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa
no manambara fa iraky ny Ray Aho.
Ary ny Ray izay naniraka Ahy
dia Izy indrindra no nanambara Ahy.
Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana,
na nahita ny tarehiny,
sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo,
noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.
Mandinika ny Soratra Masina ianareo,
satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay,
ary ireny indrindra no manambara Ahy;
nefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo ny fiainana.
Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin’olombelona;
fa fantatro ianareo,
fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo.
Avy Aho amin’ny anaran’ny Raiko,
nefa tsy noraisinareo;
raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany anefa,
dia horaisinareo ihany izy.
Hataonareo ahoana kosa moa no fino?
Koa aminareo samy ianareo no ilanareo ny voninahitrareo,
fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona!
Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray;
ao no hiampanga anareo, dia i Môizy, izay itokianareo.
Fa raha mba nino an’i Môizy ianareo,
dia hino Ahy koa;
satria nanoratra nanambara Ahy izy.
Ary raha tsy mino izay nosoratany koa ianareo,
hataonareo ahoana no fino ny teniko?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 49, 8-15)
Izao no lazain’ny Tompo:
“Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho,
ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena,
niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena,
hanandratra indray ny tany, hizara ny lova nosimbana;
hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe:‘Mivoaha’,
sy amin’izay ao anatin’ny haizina hoe:
‘Mankanesa aty amin’ny mazava.’
Hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana,
ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra;
tsy ho noana izy na hangetaheta,
tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro.
Fa Ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo,
sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.
Hataoko lalana ny tendrombohitra rehetra;
ary hasandratra indray ny lalako.
Indreo ny sasany avy lavitra;
indreo ny sasany avy any Avaratra sy avy any Andrefana,
ary indreo koa ireo avy amin’ny tanin’ny Sinima.
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra;
miontàna, ry tany!
Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra!
Fa ny Tompo efa nampionona ny vahoakany,
sy nangoraka ireo izay nampahoriana!Hoy i Siôna:
‘Nafoin’ny Tompo aho; hadinon’ny Tompo aho!’
Hanadino ny taizany va ny vehivavy,
ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony?
Na hanadino aza ny reny,
Izaho tsy mba hanadino anao!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 144, 8-9. 13de-14. 17-18)
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo,
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Tompo manohana izay rehetra ho lavo,
sy mampitraka izay mitanondrika!
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 17-30)
Tamin’izany andro izany,
nanenjika an’i Jesoa ny Jody
satria nanasitrana tamin’ny andro sabata Izy.
Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny,
ary Izaho koa miasa.”
Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody,
satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy
no nilaza fa Rainy Andriamanitra,
ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.
Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny,
ka hoy Izy tamin’izy ireo:
“Lazaiko marina aminareo:
Tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy ny Zanaka,
afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray;
ary izay rehetra ataon’ny Ray
dia ataon’ny Zanaka koa.
Fa tia ny Zanaka ny Ray,
ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny tenany,
ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy,
mba ho gaga ianareo.
Fa toy ny ananganan’ny Ray sy amelomany ny maty
no ameloman’ny Zanaka izay tiany koa.
Ary ny Ray aza tsy mitsara olona,
fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra,
mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka
tahaka ny fanajany ny Ray.
Izay tsy manaja ny Zanaka,
dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka Ahy
no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina,
fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Avy sady efa tonga sahady ankehitriny aza
ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra,
ka izay handre dia ho velona.
Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny,
no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa.
Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’Olona.
Aza gaga amin’izany,
fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana
ny feon’ny Zanak’Andriamanitra,
dia hivoaka izy,
ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana,
fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana.
Raha Izaho ihany,
tsy mahazo manao na inona na inona;
fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako,
satria tsy mitady ny sitra-poko Aho,
fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco