Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin’ny fitiavana amin’ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin’ny fiainana. Afaka aseho amin'ny endriny maro izany fitiavana izany na eo amin’ny mpivady, na fianakaviana, na fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fihetsika madinika isan'andro. Na dia eo aza nefa ireo sakana tsy havitana izany dia misy hatrany fomba hihoarana izany dia ny fialana amin’ny hambom-po sy fisokafana amin’ny hafa. Ny fifankatiavana matotra dia mitondra fiadanam-po, fitovian-danja, fivelarana iombonana ary fahaiza-miatrika ny sedra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Hihatra ny TVA 20 % amin'ny zana-bola ampiharina amin'ireo mpisambo-bola, saingy tsy ny mpisambo-bola rehetra no hiharan'izany, araka ny tinapaky ny Filankevitry ny Minisitra tany Sainte Marie... • Efa miroso sahady amin'ny fampielezan-kevitra hankatoavana ny fe-potoam-piasana fahatelon'ny Filoha ankehitriny ny fitondrana, hoy i Alain Andriamiseza... • Tafavoaka ao anatin'ny lisitry ny vakoka iraisam-pirenena tandindonin-doza ny ala mando ao Atsinanana, araka ny fanambarana ofisialin'ny UNESCO...

I Kristy ilay Masina no manamasina ny Fiangonana, nanolon-tena ho azy satria noraisiny ho toy ny vadiny ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia Vahoakan'Andriamanitra misy ny Eveka, Pretra sy ny Lahika ary ny relijiozy ary mifototra sy mivondrona ao amin'i Kristy. Ny fanarahana ny toro-hevitry ny Evanjely no hevitra fototra iraisan'ny Relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

• Nampiato ny fitokonany androany ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama. Nanao fanambarana izy ireo fa vonona hihaona amin'izy ireo ny Filoham-pirenena, ka noraisina aloha izay fampiatoana ny fitokonana izay... • Mahatratra 73 % ny taham-piaboan'ireo olona mitondra ny tazomoka any amin'ny Distrikan'Ikongo. Efa misy fivoarany ny zava-misy any an-toerana, hoy ny Tale Jeneralin'ny BNGRC androany tamin'ny mpanao gazety... • Nampiharina tamin'i Da-Willy, ilay tovolahy nanolana zaza tsy ampy taona teny Imerintsiatosika, ny lalanan'ny famosirana. Navoakan'ny Fitsarana androany teny Anosy, ny didim-pitsarana manasazy ity tovolahy ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...