24 aogositra 2024 — Masindahy Batelemy, Apôstôly — Fankalazana — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 45-51)
Nandray anjara mavitrika tamin'ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena eny ambanivohitra na ny FIER MADA andiany faha-25, natao teny Andohatapenaka ao Antananarivo renivohitra ireo fikambanana mandrafitra ny réseau SOA. Nanohana tamin'izany ireo mpiara-miombon'antoka samihafa toa ny FFF FAO. Afapo ireo tantsaha mpikamban'ny Réseau SOA nandray anjara tamin'ny tsenabe.
♦ Manana ny toerana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny, i Madagasikara, ary mandroso ny fifandraisantsika amin'ny any ivelany, hoy ny Filoham-pirenena. Mitaky fotoana anefa ny ezaka atao hampamiratra an'i Madagasikara, hoy izy... ♦ Tokony ho olona tia tanindrazana sy mahafantatra ny olana iainan'ny vahoaka ary hitondra vahaolana momba izany, ireo Minisitra vao notendrena, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa...
♦ Nijoro omaly ny Governemantan'ny Praiminisitra Ntsay Christian. Governemanta ahitana Minisitra miisa 27 ary Sekreteram-panjakana miisa roa... ♦ Manantena fidinana an-kianja ataon'ny mpikamban'ny Governemanta vaovao, mihaino ny vahoaka, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Nifarana omaly ny Fihaonambe faha-11 ho an'ny Fifanarahan'i Nairobi. Fihaonana iraisam-pirenena natao tetsy amin'ny CCI Ivato...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco