Nandray anjara mavitrika tamin'ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena eny ambanivohitra na ny FIER MADA andiany faha-25, natao teny Andohatapenaka ao Antananarivo renivohitra ireo fikambanana mandrafitra ny réseau SOA. Nanohana tamin'izany ireo mpiara-miombon'antoka samihafa toa ny FFF FAO. Afapo ireo tantsaha mpikamban'ny Réseau SOA nandray anjara tamin'ny tsenabe.

Tantsaha avy any amin'ny faritra avaratra, ny avy any andrefan'ny nosy ary ny teto afovoan-tany no navondron'ny Réseau SOA nandray anjara tamin'ny FIER MADA ny 7 hatramin'ny 11 aogositra 2024. Isan'izany ny kaoperativa Vary Manitra avy ao Anivorano Diego-II.

Mahaliana ny mpanjifa eto an-drenivohitra ilay karazam-bary "Madama Rose" na ny VARY MANITRA vokarin'ny tantsaha ao amin'ny distrikan'Antsiranana-II. Mitombo hatrany ny vokatra entin'ny kaoperativa eto an-drenivohitra hoy ny filohan'ny kaoperativa VARY MANITRA ao amin'ny Kaominina Anivorano Tombozara Patrice. 1 taonina tamin'ny taona 2022 ary lasa 5 taonina tamin'ity taona ity.

Tsy sehatra ara-barotra fotsiny ny tsenabe toa itony fa sehatra ifanakalozan'ny samy tantsaha ny traik'efa ihany koa hoy Ramatoa Bakomalala Haingotiana Angeline Irène, avy ao Antanetibe Mahazaza OP SOA MITSINJO. Ny SOA MITSINJO izay mbola fikambanana tohanan'ny Réseay SOA ato amin'ny Faritra Analamanga.

Sambany no nandray anjara tamin'ny FIER MADA ny fikambanana Miara-Mizotra any Ambatoboeny. Ankoatra ny vokatra nentiny teto an-drenivohitra, ny tao raharaha momba ny fanofanana indray no nandreseny lahatra ireo mpitsidika ny foara.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...