4 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)
♦ Miisa 32.000 ireo mpiadina BEPC Katôlika, izay miatrika fanadinana amin'ity herinandro ity... ♦ Ifamaliana ny fanambarana ataon'ireo kandidà roa mitarika amin'ny ampaham-bokatra amin'ny fifidianana Solombavam-bahoka, ao Toamasina Voalohany... ♦ Efa miomana amin'ny paikady eo amin'ny lalao hatrehany ny Barean'i Madagasikara amin'ity herinandro ity...
♦ Tafiditra tao anatin'ny Taonan'ny Vavaka fiomanana amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina omaly, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Manasa ny kristianina hanolo-tena ho an'ny hafa ny Eokaristia, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François, tamin'ny sabotsy 1 jona 2024, ny Filohan'ny Repoblikan'i Slovaquie, Ramatoa Zuzana Čaputová...
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 18, 20-39)
Tamin’izany andro izany,
dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba
sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe:
“Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo?
Raha ny Tompo no Andriamanitra manaraha Azy,
fa raha i Baala kosa, manaraha azy.”
Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka:
“Izaho irery no sisa amin’ny mpaminanin’ny Tompo,
fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin’i Baala.
Koa aoka homena ombalahy roa izahay,
ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy,
dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo;
ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo tsy asiana afo koa.
Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran’andriamanitrareo ianareo;
izaho kosa hiantso ny anaran’ny Tompo.
Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.”
Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe:
“Tsara izany!”
Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala:
“Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha,
fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo,
nefa aza asiana afo.”
Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny,
dia niantso ny anaran’i Baala izy,
hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe:
“Ry Baala ô, valio izahay!”
Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory.
Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo.
Nony nitataovovonana ny andro,
nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe:
“Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy,
ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny;
matory angamba izy, ka dia hifoha.”
Dia niantso mafy tokoa izy ireo
sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony,
mandra-piloa-dra ny tenany.
Ary nony efa nitsidika ny andro,
dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra.
Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsona kely akory.
Izay i Elia vao nanao tamin’ny vahoaka hoe:
“Manatòna ahy ianareo.”
Nony nanatona ny vahoaka,
dia namboariny ny ôtelin’ny Tompo izay efa voarava.
Naka vato roa ambin’ny folo i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba,
ilay niharan’ny tenin’ny Tompo hoe:
Israely no ho anaranao.
Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny anaran’ny Tompo.
Rahefa izany nasiany hady manodidina ny ôtely
sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana;
dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy,
ka napetrany teo ambony kitay hazo.
Ary hoy izy:
“Fenoy rano ny siny efatra,
ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.”
Dia hoy izy:
“Ataovy fanindroany indray izany.”
Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona.
Fa hoy indray izy:
“Ataovy fanintelony koa izany.”
Dia nanao izany fanintelony ny olona.
Ka nikorotsaka nanodidina ny ôtely ny rano,
dia nasainy hofenoina rano koa ny hady.
Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra;
dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe:
“Ry Tompo Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô!
aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao,
ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
Mihainoa ahy, ry Tompo ô, mihainoa ahy!
mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra,
ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.”
Dia latsaka tamin’izay ny afon’ny Tompo,
ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany,
ary ritrany ny rano tamin’ny hady!
Nony nahita izany ny vahoaka rehetra,
dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe:
“Ny Tompo ihany no Andriamanitra, ny Tompo ihany no Andriamanitra!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 15, 1-2a. 4. 5. sy 8. 11
Andriamanitra Tompo ô, ambeno.
F’Ianao re no hany ifefeko.
Hasambarako tokana an-tany.
Ka ireny sampy hamaroina,
tsy hanaovako sorona intsony;
tsy ho tononiko anarana akory.
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala eo ankavanako Izy.
E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany,
ka mameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay,
’zay mitoetra eo ankavananao
hasambarana tsy mety ritra.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco