Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 19-21)

Nitsangana i Elisea, dia nandeha ary nanaraka an’i Elia.

Tamin’izany andro izany,
nony niala teo an-tendrombohitra i Elia dia nahita an’i Elisea, zanak’i Safàta niasa tany.
Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany,
ka teo amin’ny faharoa ambin’ny folo laharana izy.
Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny.
Nilaozan’i Elisea ny ombiny,
dia nihazakazaka nanaraka an’i Elia izy, nanao hoe:

“Aoka handeha hanoroka an’i dada sy i neny aho, dia hanaraka anao.”

Ary hoy i Elia taminy:

“Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?”

Dia niala teo aminy i Elisea,
ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny,
ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany,
ary nomeny hohanin’ny olona izany,
ao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10

Ianao, ry Tompo, no anjara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno.
F’Ianao re no hany ifefeko,
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay!

Ka isaorako Tompo Ianao.
Fa nanolotra saina, fanahy.
Sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala ankavanako Izy.
Ka hisaorako mandrakizay.

Ts’omby tratra tokoa ny hafaliana,
’Zay mameno ny foko tontolo
sy manenika ’zato fanahy.
Ka ny nofoko mandry amin-toky;
fa tsy foinao ho levona ny aiko.
Ny olon-tianao tsy foinao ho faty.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 33-37)

Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy;
na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy;
na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-16)

Mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra eo anatrehan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany antendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, i Elia,
dia niditra tao anaty zohy ka nandry tao.
Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo.”

Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy,
teo alohan’ny Tompo;
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra, nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanarakaraka ny horohoron-tany, nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo, nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny,
ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy.
Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe:

“Maninona aty ianao, ry Elia?”

Ary hoy ny navaliny:

“Feno hafanam-po ho an’ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho,
fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely,
ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra,
izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.”

Fa hoy ny Tompo, taminy:

“Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasy;
ka rahefa mby any ianao, hosory ho mpanjakan’i Siria i Hazaela,
hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsî,
ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safàta,
avy any Abela Meholà.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14

Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso!
Iantrao aho, ka valio!
Tadiavo ny Tavany, hoy ny foko mantsy Anao.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao!

Aza afenina ahy, ny Tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!
Ry Andriamanitra Mpamonjy ô, aza mahafoy!

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny Velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 27-32)

Izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy dia manota sahady.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.

Ary efa voalaza koa hoe:
‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady,
afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy;
ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny fampihenàna ny fampiasàna arona sy fonosana plastika dia laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara mba ahafahana miaro kokoa ny karazan-java-mananaina izay tokana sady sarobidy eo aminy. Noho izany dia mila ezaka bebe kokoa hatrany eo amin'ny haitaky amin’ny fampiharana ny lalàna 2017-010 ny 3 jona 2017, ny famporisihina ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny famokarana vokatra vaovao sady maharitra mahasolo ny arona sy ny fonosana plastika, ary ny fanentanana ireo mpiray tanindrazana hirona bebe kokoa amin’ny fampiasàna ireo vokatra mahasolo ny plastika. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Hotanterahana anio manomboka amin'ny 10 ora maraina eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Hampahafantarin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo anio amin'ny 10 ora maraina eny Tsimbazaza, ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitisana... ♦ Andro faharoa ho an'ny hairanty ho an'ny sehatra tsy mainkina misahana ny fahasalamana ny anio. Tanjona amin'izany ny fanatsarana ny fitsaboana...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...