Fahatomombanana ara-pahasalamana mandritry ny Kongresy Eokaristika Nasionaly : fotoana iray lehibe hihaonan'ny olona maro ny kongresy, ilaina ny fiomanana mialoha ary antoka lehibe amin'ny fahatanterahan'ny hetsika ny fahatomombanan'ny fahasalamana. Manomboka any amin'ny toerana hiaingan'ny mpandray anjara tsirairay ny fiomanana satria izay tsara fiomanana tsy tapohin-doza. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny Fahasalamana eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Nibaribary ny fampandresena kandidàn'ny fitondrana sy ny fitsabahan'ny Minisiteran'ny Atitany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka teo, raha ny tatitry ny KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenana... ♦ Hisitraka telo andro fialan-tsasatra ireo raim-pianakaviana ao aorian'ny fahaterahan'ny vadiny, raha araka ny tinapaky ny Solombavam-bahoka teny Tsimbazaza omaly... ♦ Hita faty teto Antananarivo, rehefa tsy nandrenesam-baovao tao anatin'ny tapabolana, ny Mpitsara ambony mpampanoa eo anivon'ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga...
Tohin'ny asa fahariana ny Vavak'i Jesoa satria mamerina ny hasin'ny olombelona ho amin'ny fahamasinana izay niantsoany azy hatrany am-piandohana. Mijanona eto an-tany ny fiainana maha olombelona fa ny hitovizana amin'Andriamanitra no entina any an-danitra. Izay tsy mahalala an'Andriamanitra marina sy Jesoa Kristy ilay nirahiny dia tsy ho tonga zava-boahary vaovao mihitsy izy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
21 jona 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco