Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
♦ Nanamafy ny hiady ho an'ny demôkrasia ny MMM, eo anivon'ny IDC Afrika, nandritra ny fivoriana natao tany Paris... ♦ Nanomboka nitondra mpandeha androany, ny fitaterana an-tariby na ny TPC Anosy-Soarano... ♦ Andro vitsy tao aorian'ny fitokanana ny MIAMI ao Toamasina, misy ireo mpivarotra velon-taraina ary nilaza ho diso fanantenana ka mikasa ny hamerina ny fanalahidy amin'ny toeram-pivarotany ao amin'ny Village Kiosque Miami...
Fahatomombanana ara-pahasalamana mandritry ny Kongresy Eokaristika Nasionaly : fotoana iray lehibe hihaonan'ny olona maro ny kongresy, ilaina ny fiomanana mialoha ary antoka lehibe amin'ny fahatanterahan'ny hetsika ny fahatomombanan'ny fahasalamana. Manomboka any amin'ny toerana hiaingan'ny mpandray anjara tsirairay ny fiomanana satria izay tsara fiomanana tsy tapohin-doza. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny Fahasalamana eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Nibaribary ny fampandresena kandidàn'ny fitondrana sy ny fitsabahan'ny Minisiteran'ny Atitany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka teo, raha ny tatitry ny KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenana... ♦ Hisitraka telo andro fialan-tsasatra ireo raim-pianakaviana ao aorian'ny fahaterahan'ny vadiny, raha araka ny tinapaky ny Solombavam-bahoka teny Tsimbazaza omaly... ♦ Hita faty teto Antananarivo, rehefa tsy nandrenesam-baovao tao anatin'ny tapabolana, ny Mpitsara ambony mpampanoa eo anivon'ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco