Ny relijiozy dia manaraka ny torohevitra, manao voady ampahibemaso ho ren'ny vahoakan'Andriamanitra. Ny relijiozy dia manana lehibe dia iny no maniraka azy ; ny diôseziana dia ny Eveka no maniraka azy amin'ny toerana iasany. Ny Relijiozy dia mandray sy makatoa ny fitsipi-piainana atolotr'ireo mpanorina ny fikambanana rahefa nalamina sy voadinika tsara... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Hotanterahana rahampitso ety Ivato ny fomba fametrahana an'i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston, ho lehibe vaovaon'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice. Hametraka azy amin'izany i Mompera Bizimana Innocent, Mpanolotsaim-paritra ho an'i Afrika Atsinanana sy Atsimo... • Nifarana androany ny andiany faharoa amin'ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena ao Atsimo Andrefana na ny FER. Sady hamelona ny toekarena ifotony sy eo anivon'ny Faritra ity fihaonana ity, hoy ny Minisitra mpiahy Naina Andriatsitohaina... • Nomarihana androany ny faha-30 taona nianjetren'ilay fiaramanidina DC3 tao amin'ny Fokontany Ambohipanasina, misy ny “Bout de piste” Ivato, ny 18 jolay 1995. Niisa 40 ny mpandeha tao anatiny ka ny efatra sisa velona. Isan'izany ny Filohan'ny vondron'orinasa Vima, Zouzar Bouka...
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco