Zava-dehibe ny maha iray tsy mivaky ny vahoaka Malagasy. Aoka hatsapa tena ny tafika Malagasy fa iray ihany ny tafika, fototra lehibe afahana miady amin'ny fahantrana, kolikoly. Zava-dehibe ihany koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza, manomboka amin'ny ireo asa fanao andavanandro ao an-tokantrano... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny relijiozy dia fehezin'ny tompom-pahefana eo an-toerana, ireo fikambanana nankatoavin'ny Eveka eo ambany fahefan'ny Eveka eo amin'ny diôsezy iasany. Ny relijiozy fehezin'ny Evekan'i Rome irery dia izay nankatoavin'ny Papa mivantana ilay fikambanan-drelijiozy, miankina tanteraka amin'i Vatican, izany hoe ny Papa, amin'ny maha loha-laharana azy eo amin'ny Fiangonana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
♦ Sorona Masina ametrahana an'ny Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston ho lehiben'ny Province-ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny nosy Maurice... ♦ Mbola tsy resy lahatra tanteraka amin'ny drafitra entina hanarenana ny orinasa JIRAMA ny tambaben'ny mpiara-miasa, araka ny fanambaràna nataony. Mitaky hampiatoana ny fampiharana ny SATA vaovao ny tambabe... ♦ Efa tafakatra 31 ireo lavo nandritra ilay fety nitera-doza teny amin'ny Sampanana mihazo an'Imerinkasina-Ambohimalaza... ♦ Nofoanan'ny governemanta ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana any Burkina Faso...
♦ Hotanterahana anio ety Ivato ny fametrahana an'i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston ho lehibe vaovaon'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice. Izy izay notendren'ny lehiben'ny fikambanana Saleziana eran-tany, Mompera Fabio Attard, hisahana izany andraikitra izany, ny volana jona teo... ♦ Mitotongana, miverin-dalana, mihemotra izay ankehitriny raha fehezina ny fitantanana ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, hoy ny fikambanana Observatoire Mahitsy Fijery... ♦ Ny resaky ny olona anaty tambajotran-tserasera no mahatonga ny samy dokotera tsy mifanaja, araka ny navoitran'ireo dokotera nandritra ny "andron'ny mpitsabo" omaly...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco