Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 1, 2-5. 24-28d)

Sarintsarin’ny voninahitr’Andriamanitra ihany izany fahitana izany.

Tamin’ny taona fahatelopolo, volana fahefatra, andro fahadimin’ny volana,
raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobara aho,
dia nisokatra ny lanitra, ary nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho.
Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, taona fahadimy nahababo an’i Jôasina, mpanjaka, tamin’izay, —
tonga tamin’i Ezekiela, zanak’i Bozi, mpisorona, ny tenin’ny Tompo,
tany amin’ny tany Kaldeanina, amoron’ny ony Kobara,
ary mby teo aminy teo ny tanan’ny Tompo.
Hitako, fa indro, avy any avaratra,
nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe aman’afo mivongana,
izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany
dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.
Ary hitako teo afovoany, ny endrijava-manana aina efatra,
ka toa izao no fijery azy: miendrika olombelona izy.
Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikapokapoky ny elany,
ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha,
fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby;
nony mijanona izy, dia avelany milefitra ny elany.
Ary nisy naneno re avy ao amin’itsy andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany:
nony mijanona izy dia navelany hilefitra ny elany.

Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany,
nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana;
ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.
Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina
dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy,
hatramin’izay niseho ho tahaka ny andilany no ho miakatra;
ary hatramin’izay niseho ho toa andilany no ho midina kosa
dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy,
ary nisy famirapiratana manodidina azy.
Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana,
no fijery ny famirapiratana manodidina azy.
Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’Izy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 148, 1-2. 11-12ab. 12d-14a. 14bde

Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Miderà ny Tompo ianareo izay any an-danitra any.
Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any.
Miderà ny Tompo ianareo Anjeliny rehetra.
Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra.

Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka tsy hita isa.
Ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo.
Ianareo zatovo, tsy an-kanavaka eran-tany.
Ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.

Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo.
Fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja.
Ka ny fiamboniany
avo noho ny lanitra sy tany.

Ireo mpanompo azy
faly mankalaza sy midera.
Tsy iza izany akory fa ny firenena Israely,
ilay vahoaka tiany, nolalainy hatrany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

Hovonoin’izy ireo Izy, nefa hitsangan-ko velona. — Afaka amin’ny hetra ny zanany.

Tamin’izany andro izany,
raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona,
ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.”

Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe:

“Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?”

Dia hoy i Piera:

“Mandoa Izy.”

Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe:

“Ahoana ny hevitrao, ry Simôna?
Iza moa no angalan’ny mpanjaka ety an-tany hetra sy hajia,
ny zanany sa ny olon-kafa?”

Hoy i Piera taminy:

“Ny olon-kafa.”

Dia hoy i Jesoa:

“Raha izany àry, dia afaka ny zanany.
Kanefa sao manafintohina azy isika,
ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao,
dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany,
fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao,
dia aloavy ho Ahy sy ho anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 4-8)

Noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy.

Tamin’izany andro izany, i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela
ka nandroso lalana indray andro tany an’efitra;
ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray,
dia nangataka ny ho faty, nanao hoe:

“Aoka izay! Alao amin’izao ny aiko, ry Tompo ô,
fa tsy tsara noho ny razako aho”.

Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ny kofafambohitra.
Fa indro nisy Anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe:

“Miarena ianao hihinana”,

Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany,
nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara;
ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’ny Tompo, nanohina azy,
sy nanao taminy hoe:

“Miarena ianao hihinana, fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao”.

Dia niarina izy, nihinana sy nisotro,
ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina,
tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany,
ho any Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9

Ankafizo sy anarano fo, fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjîna Azy fa ho mirana,
ny henatra tsy hanaloka ny tavanareo;
ity ory velona antso, ka novalian’ny Tompo,
novonjeny tamin’ny ahiahiny rehetra izy.

Ny Anjelin’ny Tompo milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra Azy.
Ankafizo ity hamamin’ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 30 — 5, 2)

Mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy.

Ry kristianina havana,
aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra
Izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana,
fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy,
ka hifampiantra sy hifamela heloka,
toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo.
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy,
Izay nanolo-Tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika,
mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 41-52)

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe:

“Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”.

Hoy izy ireo:

“Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity,
izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?
Ka ahoana àry no anaovany hoe:
‘Nidina avy any an-danitra Aho?’”

Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Aza mimonomonona ianareo.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory
raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe:
‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’.
Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.
Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory:
fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
Izaho no Mofon’aina.
Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany;
tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra,
fa tsy ho faty izay mihinana azy.
Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Tokony ho tsapatsika fa tsy miteny irery na manao antso an'efitra isika na miresaka amin'ny rivotra rehefa mivavaka fa tena misy sofina mihaino sy olona manongilantsofina. Tsy hoe ren'Andriamanitra fotsiny ny vavaka ataontsika fa tena mihaino ny vavaka ataontsika izy. Raha mifandray amin'Andriamanitra isika dia tsy hoe foana ny olana fa kosa mitodika sy mitarika antsika makany amin'ny tsara kokoa. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Alahady faha-18 mandavantaona — B : Ray aman-dreny mpamelona Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Izay manatona an'i Jesoa Kristy, tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Azy tsy hangetaheta. Ny fimonomononana dia toetra andavanandron'ny tanora miala sakana, tsy mety manaiky sy mandray ny zava-misy, tsy mahatsapa izay tsara mahasoa azy, ary mikomy sy midongy amin'ny ray aman-dreny toa ity voalaza amin'ny vakin-teny voalohany ity izay toetran'ny vahoaka nanoloana an'i Môizy. Avy amin'ny teny hebrio "manne - o" izay midika hoe "inona itony" no niavian'ny anaran'io mofo avy any an-danitra io....

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...