♦ 2 no naratra omaly ten Ambohibao-Antehiroka : ny iray naratra mafy teo amin'ny masony, ny iray hafa teo amin'ny tongony vokatry ny hetsika tsy fankasitrahana ny tsy fisian'ny jiro sy rano... ♦ Milaza ny hidina ifotony eny amin'ny JIRAMA anio ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ary tsy hivoaka ao raha tsy misy vahaolana aroson'ny tompon'andraikitra... ♦ Miandrandra ny fahalanian'ny tolo-dalàna eny amin'ny parlemanta mba hahafahan'ireo olona manana toe-tena varira, miaina toy ny olon-drehetra ny fikambanana Albinos Madagasikara... ♦ Maminavina ny hanampy isa ny tafika i Ukraine, milaza efa miroso amin'ny andrana amin'ny fitaovam-piadiana nokleary kosa i Rosia...

[audio src="/images/sounds/jma-20241030.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...