Anisan'ny fanambaran'Andriamanitra ny Tenany ny fotoana nanaovana Batemy an'i Jesoa Kristy ; io seho teo amin'ny onin'i Jordany io dia mifandray amin'ny fiovan'i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitra. Ny vavaka nataon'i Jesoa teo amin'ny onin'i Jordany dia vavaka samirery. Mazava fa fanambaran'Andriamanitra ny Tenany ny seho nisy tamin'ny Batemin'i Jesoa sy ny fiovany tarehy, ary miaro vavaka ireny... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
28 aogositra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)
♦ Miandrandra asa mivaingana amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mponina, hoy ny ONG Tolotsoa. Tsy tokony hirona amin'ny fiatrehana fifidianana ity tompon'andraikitra ity, hoy izy ireo... ♦ Nohamafisin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena androany, fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana ity... ♦ Mampiantrano ny dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny Filoham-pirenena ny delegasiôna avy amin'ny FEM, mandray anjara amin'ny dinika...
♦ Hamory ireo mpiantsehatra voakasiky ny fifidianana eny Alarobia rahampitso ny CENI. Fotoana ifanakalozan-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao... ♦ Tanimbary 7.000Ha no maina noho ny tsy fisian'ny rano any amin'ny lemak'i Bas-Mangoky.Simba ny foto-drafitr'asa any amin'ny "Prise Bevoay", ka itarainan'ny tantsaha... ♦ Olona 4 no maty vokatry ny faharendrehin'ny lakana nentin'izy ireo tao Imahasoabe, Distrika Vohipeno. Mbola tsy hita popoka izy 4 mirahavavy mianaka ireo hatramin'izao... ♦ Tsy mbola voatendry omaly indray ny Praiministra vaovao any Frantsa. Nolavin'ingahy Macron ny fanoloran'ny NFP an-dramatoa Lucie Castets ho lehiben'ny Governemanta...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco