Fanamby maro no manoloana ny sehatry ny fanabeazana ankehitriny noho ny firoboroboana sy ny fandroasoan’ny teknolojia. Etsy andaniny maro ny tombotsoa azo avy amin’izy ireny, fa etsy ankilany kosa raha ny fanehoan-kevitra amin’ny mpandinika dia fantatra fa mbola banga ny fanabeazana eto Madagasikara, fa indrindra amin’izao fotoana mampiazakazaka ny tonolom-pivoarana izao. Misy ezaka sy andriakitra lehibe miandry ny Ray aman-dReny, satria ny fototry ny fanabeazana dia mianga avy any an-tokantrano. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.
Tahaka ilay toetra ao amin'ny fanoharana izay tsy maintsy mitsena vahiny tonga tsy nampoizina, mandeha mandondona ny tranon'ny namany amin'ny misasakalina ary mangataka mofo. Namaly ilay namany hoe "Tsia!" satria efa eo am-pandriana izy, nefa miziriziry mandra-panery azy hitsangana hanome azy ny mofo, io ilay toetra manao fangatahana maharitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco