Alahady faha-24 mandavantaona : Misy hasiny ny fijaliana ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny endriky ny mpanompon'Andriamanitra no hasehon'ny vakiteny voalohany, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Izaia Mpaminany : isan'ireo sokajiana ho tonon-kiran'ny mpanompon'Andriamanitra ity vakiteny ity. Ny mpanompon'Andriamanitra dia olona môdely sy fakan-tahaka. Ny fomba nanehoan'i Jesoa ny maha Kristy azy dia amin'ny alalan'ny fanoloran-tenany dia ny misterin'ny paka : fijaliana, fahafatesana, fitsanganan-ko velona...
15 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-35)
Isika olombelona dia mizara izany antso fanampiana izany amin'ny zavaboary rehetra. Tsy isika irery no “mivavaka” eto amin’izao tontolo izao, izay tsy manam-petra izao : ny ampahany amin’ny zavaboary tsirairay dia mitondra ny faniriany amin'Andriamanitra. Mivavaka ny zavaboary rehetra, mivavaka sy mandohalika ny biby sy ny bibidia; rehefa mivoaka avy ao amin'ny tranony na zohy... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
14 septambra 2024 — Ny nandratana ny Hazofijaliana — Fankalazana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 13-17)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco