Bokin’i Jôba (Jôb. 38, 1. 12-21 ; 40, 3-5)
Ny Tompo namaly an’i Jôba tao anatin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe:
“Mba efa nandidy ny maraina va ianao hatrizay niainanao?
Moa nanondro ny fitoerany tamin’ny mazava atsinanana,
mba handraisany ny tany amin’ny sisiny,
sy hanintsanany ny ratsy fanahy hiala eo,
mba hananan’ny tany endrika toy ny tanimanga voatombo-kase,
ary hisehoany voaravaka toy ny manao fanamiana;
mba tsy hananan’ny mpanao ratsy ny fahazavany;
ary hotapahina ny sandry efa voaainga hanao ratsy?
Mba efa nidina tany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao,
sy efa nitsangantsangana tany amin’ny fanambanin’ny hantsana va ianao?
Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin’ny fahafatesana
sy efa hitanao va ny varavaran’ny fonenana manjombona?
Efa takatrao va ny halalahan’ny tany?
Lazao raha mahalala izany rehetra izany ianao?
Aiza ny lalana mankany amin’ny fonenan’ny mazava,
ary aiza ny fitoeran’ny maizina?
Hainao samborina va izy eny amin’ny taniny?
Fantatrao va ny lalana eny amin’ny fonenany?
Fantatrao tokoa mantsy izany a, fa ianao efa teraka talohan’izany
ary efa maro manao ahoana ny isan’ny andronao?”
Fa namaly ny Tompo i Jôba nanao hoe:
“Inona moa no havaliko Anao izay izaho tsinontsinona ity?
fa dia mitampim-bava aho.
Efa niteny indray mandeha ka tsy hamaly intsony,
efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 138, 1-3. 7-8. 9-10. 13-14ab
Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Aiza no hialako amin’ny Fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao!
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana!
Ianao no nahary tongotra aman-tanana,
sy Mpiaro hatrany an-kibon’ineny.
Midera Anao aho fa mahatalanjona ity Ianao!
Eny, mampitolagaga ny asanao!
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 13-16)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe:
“Loza ho anao, ry Kôrôzaïna, loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo,
dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.
Noho izany, amin’ny andro fitsarana
dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidôna noho ny aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra
dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao.
Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy;
izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jôba (Jôb. 19, 21-27)
Hoy i Jôba tamin’ireo nandatsa azy mafy:
“Ianareo sakaizako ahay, mamindrà fo, mamindrà fo amiko,
fa nasian’ny tanan’Andriamanitra aho ity!
Nahoana no dia manenjika ahy, tahaka an’Andriamanitra koa ianareo,
ka tsy mety ho boboky ny nofoko?
Adray! raha mba mety ho voasoratra koa ny teniko!
raha mba mety ho vita an-tsoratra ao anatin’ny boky izy!
raha mba fisokirana vy mbamin’ny firaka no isokirana azy amin’ny vatolampy ho mandrakizay!
Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka Izy,
ary amin’izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny,
dia ny nofoko izao, no hahitako an’Andriamanitra.
Eny, izaho izao no hahita Azy, ny masoko no hahita Azy, fa tsy olon-kafa.
Matim-paniriana izany ny foko ato anatiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso!
Iantrao aho, ka valio!
Tadiavo ny tavany!
hoy ny foko mantsy Anao.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny tavanao!
Aza afenina ahy ny tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô! aza manary!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny tanin’ny velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)
Tamin’izany andro izany, dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo
ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Mandehana;
indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia.
Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro,
ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe:
‘Fiadanana anie ho amin’ity trano ity’;
ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo;
fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany.
Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao,
fa mendrika ny karamany ny mpiasa.
Aza mifindrafindra trano.
Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona,
dia hano izay atolony anareo;
ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe:
‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’
Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona,
dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe:
‘Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza
dia ahintsanay hiampanga anareo;
fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’
Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay,
dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma noho ny ho amin’izany tanàna izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jôba (Jôb. 9, 1-12. 14-16)
Namaly an’ireo namany i Jôba nanao hoe:
“Fantatro tsara fa izany tokoa no izy:
Ahoana no hahamarina ny olombelona mifandahatra amin’Andriamanitra?
Fa raha mitady hifamaly aminy izy,
dia tsy hahavaly Azy, na dia iray amin’ny arivo aza.
Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny.
Zovy moa no nanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?
Mamindra ny tendrombohitra Izy, ka tsy fantatr’izy ireo:
mandrodana ireny amin’ny hatezerany Izy;
manifikifika ny tany amin’ny fanorenany Izy, dia mihozongozona ny andriny.
Mandidy ny masoandro Izy, dia tsy miposaka io;
asiany tombo-kase ny kintana.
Izy irery no mamelatra ny lanitra, mandia ny onjan-dranomasina.
Izy no nahary ny Orsa, ny Telo-nohorefy, ny Kotokelimiadilaona ary ny lafin’ny lanitra atsimo.
Manao zava-dehibe tsy hay fantarina Izy, dia zava-mahagaga tsy tambo isaina.
Indro fa mandalo eo akaikiko Izy, tsy mahita Azy aho;
manalavitra indray Izy, tsy mahatsikaritra aho.
Raha mipaoka remby Izy, zovy no hahasakana izany?
Zovy no hanao aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’
Ka izaho ve no hanonofy izay hamaly Azy, ka hifantina izay teny hifandaharako aminy?
Na hanana ny marina aza aho tsy hahavaly akory, ny hangataka ny famindram-pon’Izy mpitsara ahy no hataoko.
Na ho nanaiky ny fitarainako aza Izy, dia tsy hoheveriko ho nihaino ny feoko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 87, 10bd-11. 12-13. 14-15
Tontolo andro aho miantso Anao,
sy mananty tanana aminao!
Moa ny maty mba miaiky Anao hahefa zava-mahagaga?
Ny matoatoa moa mitsangana hidera Anao?
Misy miteny ny hatsaram-ponao va any am-pasana?
na ny fahamarinanao any amin’ny toeram-pahaverezana?
Angaha fantatra any amin’ny maizina ny zava-mahatalanjona vitanao?
sy any amin’ny tanin’ny fanadinoana ny fitiavanao ny rariny?
Eny, ry Tompo, mitaraina aminao aho!
Mitsena Anao vao maraina ny fivàvako!
Nahoana, ry Tompo, no dia arianao ny fanahiko,
sy afeninao ahy ny Tavanao?
Aleloia. Aleloia.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)
Tamin’izany andro izany,
raha mbola teny an-dalana ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany,
dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:
“Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Ny amboadia manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany;
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”
Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa:
“Manaraha ahy.”
Dia izao no navalin’io:
“Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy,
fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe:
“Hanaraka Anao aho, Tompoko,
fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika,
dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks 23, 20-23a)
Izao no lazain’ny Tompo:
“Indro Aho maniraka anjely eo alohanao,
hiaro anao eny an-dalana sy hahatonga anao any amin’ny toerana nomaniko.
Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony;
aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy,
satria ny anarako no ao aminy.
Fa raha mihaino ny feony kosa ianao, ka manao izay rehetra holazaiko,
dia ho fahavalon’ny fahavalonao Aho, sy ho rafin’ny rafinao.
Fa mandeha eo anoloanao ny anjeliko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal 90, 1-2. 3-4. 5-6. 10-11
‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’Ilay Avo,
velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo!
“O, ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho”
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa ny Tompo no mpanafaka amy fandrika mandavo
sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.
Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao.
‘Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!
Ary ‘zany fahamarinany moa ts’ilay fiarovan-tratra:
Na raha alina ka tojo ‘rony amboa manao andia, na antoandro mifanehatra amim-borona mahery!
Na misoko te handringana amin’ny haizina ny loza.
Tsy hangovitra, tsy hatahotra, tsy hihontsona ianao.
Ka ny tena tsy mba tran’irony loza mahafaty;
‘zay antambo koa tsy hiditra ny trano itoeranao!
Fa nomeny baiko manko ny anjeliny rehetra
mba hanampy anao ho tody soa aman-tsara an-tranonao!
Aleloia. Aleloia.
Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:
“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”
Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy Izy:
“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco