Nandefa hafatra ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena sy ho an'ny vahoaka Malagasy, ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, na Justice et Paix, tao aorian'ny fivoriambe faharoa natao ny tamin'ity taona 2024 ity, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024.
♦ Tena marary ny firenena, mikororosifahana ny fiarian-karena, maro ireo gaboraraka kanefa tsy tokony hararaotina ny fahantran'ny vahoaka. Hafatra nisongadina taorian'ny fivorianana nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana... ♦ Miisa 160 ireo tehina fotsy nozarain'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Firaisan-kina, nandritry ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tehina fotsy natao tany Antsirabe... ♦ Nankasitraka ireo mpiara-miasa taminy akaiky, Mopera PEDRO tamin'ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny AKAMASO, roso ny dia aina no fetra hoy izy... ♦ Miisa 14 ireo nasandratra sy nambaran'ny Papa François ho Olomasina omaly, Martiry ny 11 ary mpanorona fikambanana ny 3 hafa...
Ny fivavahana dia fanandratana ny fanahy ho amin'Andriamanitra na fangatahana amin'Andriamanitra. Ankoatra ny fanetren-tena dia ilaina ihany koa ny fanoloran-tena sy fiderana. Ny famindram-pon'Andriamanitra no mialoha antsika mba hivelona araka ny fitiavam-bavaka isika, ary mbola manaraka ao afarantsika izany mba ahavelona antsika mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra, raha tsy misy Izy tsy mahavita inona isika... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
21 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco