Tahaka ilay toetra ao amin'ny fanoharana izay tsy maintsy mitsena vahiny tonga tsy nampoizina, mandeha mandondona ny tranon'ny namany amin'ny misasakalina ary mangataka mofo. Namaly ilay namany hoe "Tsia!" satria efa eo am-pandriana izy, nefa miziriziry mandra-panery azy hitsangana hanome azy ny mofo, io ilay toetra manao fangatahana maharitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

15 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

  • Mihaona amin'ny Aigles de Carthage Toniziana atsy Pretoria amin'izao ora izao, ny Barean'i Madagasikara...
  • Nokianin'ny KMF/Cnoe ny fivoizan'ireo mpirotsaka ho fidiana sasany, milaza fa kandidàm-panjakana. Tsy hampitovy herijika ireo mpifaninana ny fivoizana izany, hoy ity firaisamonim-pirenena ity, androany...
  • Ampy, ary tsy misy atahorana ny tahirim-bary eto amintsika amin'izao, hoy ny Minisitry ny Varotra. Nanazava ny momba ny fifehezana ny vidim-bary koa izy, androany...

  • Tonga androany teto Madagascar ireo antotan-taratasy saropady hampiasaina amin'ny fifidianana eny anivon'ny Kaominina amin'ny 11 desambra ho avy izao. Hanomboka amin'ity herinandro ity ny fanapariahana ireo antotan-taratasy ireo manerana ny nosy...
  • Mitaky ny mangarahara amin'ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy n fitantanam-bolam-panjakàna ny vondron'ny firaisamonim-pirenena CCOC. Tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy ny parlemantera hoy izy ireo...
  • Tsy lavorary ny famelan'ny litchis tamin'ity taona ity. Antony mahatonga ny vokatra mihena araka ny fanazavan'ny teknisianin'ny fambolena...
  • Nohamafisina ny fitandroana ny filaminana mandritra ny lalao baolina kitra ihaonan'i Frantsa sy Israely...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...