Ny 5 hatramin'ny 13 Aprily lasa teo no nanatanterahana ny herinandro masina niavaka indrindra. Noho ny amehana ara-pahasalamana nisy dia tao amin'ny Lasapely ihany no nanatanterahana ireo fankalazana rehetra, nanomboka tamin'ny sampan-kazo ka hatramin'ny andron'ny paka.
Hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Coronavirus teto Madagasikara, fepetra maro no noraisina mba hiarovana ny fiparihany eto amin’ny firenena. .
Nandefa horonan-tsary, hafatra ho an'ny mpino ny papa François amin'izao fankalazana ny Herinandro masina izao. Manentana ny tsirairay ny Ray masina mba hahay hanararaotra izao vanim-potoana mihavaka izao. Mila ny "fahaiza-mamorona atosiky ny fitiavana" isika, hoy ny papa, mba handrosoana lavitra kokoa. Araho ny horon-tsary miaraka amin'ny dikan-teny malagasy.
♦ Tapitra anion ny 14 andro napetraka ihibohan'ny rehetra an-trano, ho fisorohana ny fihanaky ny Coronavirus. Tombanana ho mbola hitohy izany, manoloana ny zava-misy ankehitriny... ♦ Misy amin'ireo orinasa mbola miodina amin'izao no tsy mampiasa afa-tsy 10% mpiasa sisa... ♦ Manahy ny hisian'ny fipoahana ara-tsôsialy ny Vovonan'ny fiaraha-monim-pirenena na ny PFNOSCM Vofiraisana...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco