♦ Andrasana amin'ny tafa hataon'ny Filohan'ny Repoblika rahampitso alina indray ny fepetra amin'ny ady amin'ny Cornavirus... ♦ Andrasana ny fijoroan'ny vaomiera manokana handinika ny fanenjehana ara-pitsarana ireo mpitondra ambony, eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Arahanao amin'izao vaovao izao koa ny fanazavan'ny Ministra teo aloha Brigitte Rasamoelina momba ny Rovan'Antananarivo...
♦ Niampy telo ireo namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara. 42 koa ireo tranga vaovao voatily... ♦ Tsy ilaina ampakarina any amin'ny Fampanoavana ny raharahan'ny Profesora Ralandiarison Stéphan, Sojaben'ny Fakiolte Fampianarana ho mpitsabo any Toamasina... ♦ Tsy ho tratra ny fisondrotry ny tahan'ny arikarena faobe novinavinaina ho 5,5% amin'ity taona ity...
Sabotsy 30 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 20-25 — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin'ny Fahamarinana, hoy ny Tompo ; Izy no hitari-dalana anareo amin'ny marina rehetra.
♦ Mitaky ny hanemorana ny fametrahana ny volavolan-dalana momba ny tany manana sata manokana eny amin'ireo andrim-panjakana manao lalana mandritra izao fivoriana ara-potoana voalohany izao ireo firaisamonim-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa fa ny Oniversite no afaka manome ny antony mazava amin'ny tsy mbola nahazoan'ny mpianatra ny vatsim-pianarana...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco