♦ Niampy 41 indray ireo olona tratran'ny Covid-19 ary miisa 16 ireo sitrana raha ny tatitra omaly... ♦ Vaky ambatolampy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny Minisitry ny Fitsaraba sy ny Sekretera jeneralin'ity Minstera ity, nanoloana ilay mpanakanto nahafaty olona teny Tsarasaotra... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalana, manararaotra ny fisian'ny hameha ara-pahasalamana...
Zoma 12 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
♦ Olona 16 vaovao indray no sitrana soa aman-tsara tamin'ireo nararin'ny Coronavirus teto amintsika... ♦ Ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana indray no niatrika ny Solombavam-bahoaka, nilaza ny fandaharan'asany... ♦ Mitaky ny hampakaran'ny parlemantera ny teti-bola ho an'ny sehatry ny rano fisotro madio ny vondron'ireo fiaraha-monim-pirenena...
Marihina isaky ny 12 jona ny andro erantany hiadiana amn'ny fampiasana ankizy. Miantso ny tompon'andraiki-panjakana i Papa François mba hitady vahaolana handresena izany.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco