♦ Mila fanarenana haingana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pirenena eto amintsika, hoy Andriamatoa Ralison Roger... ♦ Isan'ny dingana lehibe nataon'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny ady amn'ny kolikoly sy ny fanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary... ♦ Tsy ny famadihanany ny Licence Taxi ho biométrique no laharam-pahamehana, hoy ny Filohan'ny FTAR...

Sabotsy 13 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37 — Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka haneika ahy.

Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.

♦ Ahiana hampakatra indray ny isan'ny ankizy miditra amin'ny sehatry ny asa ny krizy ateraky ny Coronavirus... ♦ Niroso tamin'ny hetsika fanairana nanomboka ny maraina teo ireo Paramed mivondrona ao amin'ny sendikà SISFM... ♦ Nanomboka androany kosa ny fivoriana ara-potoan'ny mpanolo-tsaina monisipaly ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...