Sabotsy 10 avrily 2021 — Sabotsy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15

♦ Mitaraina ireo mpiasan'ny orinasa Kraomita Malagasy fa misy amin'izy ireo no efa matin'ny Coronavirus, noho ny tsy fisian'ny fiantohana ara-pahasalamana intsony... ♦ Nitondra anjara betsaka tamin'ny toekaream-pirenena ny harena ankibon'ny tany, nampiditra 26.044.000.000Ariary tamin'ny taon-dasa... ♦ Misaona ny fanjakàna britanika, nodiimandry ny Printsy Philip, vadin'ny Mpanjakavavy Elisabeth-II... 

Ny Sorona teo amin'ny Hazofijaliana ihany no antoky ny Famonjena antsika. Andriamanitra no nifidy an'i Maria sy nameno azy ny fahasoavana mba hitondra ny famonjena an'izao tontolo izao.

Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra taorian'ny krizy nitranga tamin'ny heritaona. Manahy amin'ny ho avin'ny lalam-pihariana ihany koa ny mpiompy manoloana izao andiany faharoa amin'ny valan'aretina covid izao... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...