♦ Nampiatoana tsy ho mpanazatra ny Barean'i Madagasikara i Nicolas Dupuis, araka ny fanambarana navoakan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra androany... ♦ Tsy tokony hisalasalana ny fanasaziana ireo tompon'andraikitra mandika fepetra nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, toy ny fampidirana sidina mitondra mpandeha eto Madagasikara, hoy ny Fioloha lefitry ny Antenimierandoholona Imbiky Herizlaza...

Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy i Mompera Gabriel Randrianantenaina, pretran'ny Diosezin'i Moramanga ary Secrétaire Coordinateur-n'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hatramin’izao.

Ny olombelona dia vatana, saina sy fanahy. Samy mila sakafo izy telo ireo, samy mila fanabeazana, samy manana zo hivoatra, ary tsy azo sarahana. Mibe ny olona, mba hanovo soatoavina, ka mampifanaraka ny fanapahan-keviny amin'ny soatoavina tsara nibeazany ny tsirairay. Mba tsy handeha an-jambany ny "tanora miala sakana", dia tokony ho namany mandrakariva ny ray aman-dreny. Atsangana ao an-trano ny "conseil de famille", hibeazan'ny tsirairay, sy hanehoany ny maha olona feno azy.

♦ Voafidy ho Filohan'ny HCC mandritra ny fito taona Andriamatoa Florent Rakotoarisoa... ♦ Milaza ny handray andraikitra fa tsy hihanona intsony amin'ny fanambarana ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny Demôkrasia eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...