Naneho ohatra fakan-tahaka manoloana ny resabe mikasika ny vakisiny Covid-19 ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ka nitarika ny zandary nanao vakisiny omaly...

Alarobia 12 mey 2021 — Herinadro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15

♦ Mbola tsy ampy ahafahana mamaritra ny fahatratran'i Madagasikara ny PIC ny fivoaran'ny Coronavirus ankehitriny. Ahiana mbola hanova zavatra mantsy ny fidirana amin'ny aty ririnina... ♦ Voahaja ny fanakatonana fiangonana amin'izao fotoana izao, saingy ny mifanohitra amin'izany no zava-misy eny amin'ny tsena sy ny fitateram-bahoaka, hoy ny Vikera Jeneraly eo anivon'ny diôsezin'i Fianarantsoa...

♦ Hotanterahina mivantana ihany, tsy ampiasàna "visio-conférence" ny fifanatrehan'ireo solombavambahoaka sy ireo ministra anaty governemanta... ♦ Fanazavàna nentin'ny mpitsabo, manoloana ny ahiahin'ny Malagasy sasany amin'ny voka-dratsy ateraky ny fanaovam-baksiny fanefitry ny coronavirus... ♦ Tsy nihetsika ireo sehatra fampiroboroboana ny toe-karena eto Madagasikara ta anatin'ny telo volana voalohan'ity taona ity... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...