Zoma 27 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 2. 10. 14. 25-30 — Izaho no fanangananany fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.
♦ Nitombo efatra indray ireo olona voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika, 23 izany izao izy ireo, izay samy mpandeha tamin'ireo fiaramanidina tonga teo amintsika avokoa... ♦ Niteraka korontana tao Toamasina ny hetsika nataon'ireo mpitarika posy sy mpitondra tuc-tuc, mikiry ny mbola hiasa hatrany... ♦ Karohin'ny polisy amin'izao fotoana ilay vehivavy namoaka feo tamin'ny tambazotra ara-tsosialy, nilaza vaovao tsy marina mikasika ny Coronavirus eto amintsika...
♦ Nahazo fitaovana vaovao hiatrehana ny valan'aretina entin'ny Corona Virus ny fitondram-panjakana malagasy... ♦ Nametraka vidin'entana raikitra hampiharin'ireo mpivarotra antsinjarany tsy manana facture nividianana entana tany amin'ny mpamongady ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa-tanana... ♦ Misedra olana ara-pihariana ireo mpisehatra amin'ny lalam-pihariana ronono manoloana ny toe-java-misy amin'izao fotoana izao...
Alakamisy 26 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47 — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco