Eo amin'ny fotoana nanomezan'Andriamanitra taranaka an'i Abrahama no nanomboka ny tantaram-pamonjena. Nino Abrahama, tsy nisalasala tamin'izay nolazan'Andriamanitra taminy, nampanantenain'Andriamanitra taranaka maro. Ankoatra an'i Isaaka dia nampanantenain'Andriamanitra fa ho tonga firenena lehibe ny fianakaviana Abrahama. Ny hoe "israely" manana tandrify hoe " combattant de Dieu"... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Miatrika ny lalao ihaonana amin'i Tchad, anatin'ny fifanintsanana Mondial 2026, ny Barea, nanomboka tamin'ny 7 ora hariva teo... • Nampiomana ny mpanjifa ny orinasa JIRAMA, fa ho mafy ny delestazy amin'izao main-tany izao. Taraiky loatra ny vahaolan'ny fanjakana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, manoloana izany... • Nanomboka androany ny taom-pianarana 2025-2026 manerana ny nosy. Tsy misy fiovana firy tamin'ny teo aloha ireo tetiandro samihafa efa voafaritra, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny volana jona amin'ny taona ho avy...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
♦ Tsy mbola ato ho ato aloha no hivaha ny olana eo amin'ny orinasa JIRAMA. Nanamafy ity orinasa ity fa mila mivonona ny mpanjifa satria ho sarotsarotra ny hiatrehana ny vanim-potoanan'ny main-tany... ♦ Tsy manan-tsafidy hafa-tsy ny handresy an'i Tchad ny Barean'i Madagasikara anio, hoy ny mpamakafaka baolina kitra Fenosoa Razafimamonjy... ♦ Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny governemanta manoloana ny datin'ny 11 desambra izay efa tsy nametrahan'ny HCC olana amin'ny hanatanterahana ny fifidianana Loholona... ♦ Ahiana tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo mpanao gazety afaka hitatitra ny vaovao manoloana ny zava-misy any Gaza hoy ny RSF...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco