Raha ara-tsoratra Masina ; nahoana no hoe "fanompoana" fa tsy "fanandevozana" ; satria asa fandavorariana no nisy teo amin'ny tantara fahariana, araka ny voalaza hoe "tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka". Andevon'ny fiainana ianao rehefa tsy mametraka an'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, ny asa dia fanatanterahana sy fandavorariana ohatra ny asa hatao eo anivon'ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
21 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
♦ Niaka-tsehatra tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny Filoham-pirenena androany, nanoloana ny savorovoro nandritra ny fanadinana Bakalôrea. Misy andian'olona, vitsy an'isa, misompatra ny fitondrana, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tsy ho foana tanteraka ao anatin'ny telo herinandro, ny delestazy amin'ireo tanan-dehibe eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Angovo androany. Mila fiara mpitatitra solika miisa 100 isan'andro, raha ny nambarany, raha tiana ho foana tanteraka ny fahatapahan'ny herinaratra...
♦ Niofana teto andrenivohitra nandritra ny 3andro ny Dokotera Veterinera avy amin'ny Faritra miisa 8, eto amin'ny nosy. Fiofanana nanatevenana ny fahalalan'ny mpitsabo biby afahana manatsara ny fanaraha-maso ny aretim-biby... ♦ Efa manomboka ny asafanamboarana ny lalam-pirenena faharoa (RN2) hoy ny teo anivon'ny ministeran'ny asa vaventy. Asa fikojakojana nohamafisina no natao mba hampateza ny asa vita... ♦ Mahatratra 9.000 ny isan'olona tsy manana kôpia nahaterahana ao amin'ny Distrikan'i Soavinandriana Faritra Itasy. Misy ny fiaraha-miasa eo amin'ny OIF sy ny ministeran'ny Fitsaràna mba hisitrahan'ny mponina amin'ny kaominina miisa 9 izany kôpia izany...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco