♦ Tsy ekena ny hisian'ny tetezamita, ary tsy misy ambonin'ny lalàna, fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Avelao ny Malagasy haneho ny safidy malalaka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Tontosa teny amin'ny Sekoly Ambony manofana ho Pôlisim-pirenena androany, ny famoahana ny andiany Vina, tamin'ireo mpianatra ho pôlisy isaky ny sokajiny... ♦ Ampirisihana ny tanora Mlagasy hirona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny asa tanana; isan'ny tanjona hanatanterahana ny Foaran'Analamanga izany...
♦ Hotanterahana ny 23 ka hatramin'ny 26 aogositra 2024 any Antsiranana ny Kôngresy Eokaristika fahatelo iombonan'ny Nosy eto Madagasikara... ♦ Manentana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hikatsaka hatrany ny fandriampahalemana ny Fiombonan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Afrika sy Madagasikara... ♦ Manao fitsidihana any Chine i Mgr Zuppi, Iraka manokan'ny Papa François...
Namolavola mari-pamantarana Label Soa Far ho an'ireo Foibem-panofanana mivondrona ao aminy ny tambazotra FARMADA. Miisa 13 ny ivon-toerana efa nisitraka izany. Nitondra anjara biriky lehibe amin'ny fanatsaràna ny kalitaom-pampiofanana atolotra ny tanora sy ny tantsaha hanabe voa ny famokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra teto amintsika ny Tambazotra FARMADA. Marika entina manavaka ny ivon-toeram-panofanana, izay mitondra fanatsaràna sy manavao ny rafitra ao aminy ny Label Soa Far...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timote (1 Tim. 3, 1-13)
Tena marina izao teny izao:
raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra,
dia maniry raharaha tsara indrindra izy.
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny,
tsy nanam-bady, afa-tsy indray mandeha monja,
mahonon-tena,
hendry,
maotona sy mendrimendrika,
mampiantrano vahiny,
mahay mampianatra,
tsy lian-divay,
tsy mikapoka, fa mandefitra,
tsy mpila ady,
tsy tia vola,
mahay mitondra ny ankohonany,
sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary;
fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany,
hataony ahoana ny fitondra ny Eglizin’Andriamanitra?
Tsy zazavao amin’ny fivavahana,
fandrao dia mieboebo foana
ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.
Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa,
fandrao dia afa-baràka sy voan’ny fandriky ny demony.
Toy izany koa ny Diakra,
dia aoka ho olona maotona,
tsy miroa teny,
tsy lian-divay,
tsy tia harena foana,
mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio;
ary aoka hozahan-toetra izy aloha,
vao manao ny raharahany, rahefa hita fa tsy manan-tsiny.
Toy izany koa ny vadiny,
dia aoka ho olona manaja tena,
tsy mpifosa,
mahonon-tena,
mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
Aoka ny Diakra ho olona tsy nanam-bady afa-tsy indray mandeha,
sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.
Fa izay nahatontosa tsara ny raharahany,
dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany,
sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana
izay ao amin’i Kristy Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 100, 1-2ab. 2de-3. 5. 6
Ny hatsaram-po sy ny rariny no fikàloko;
Ianao, ry Tompo, no fiàntsako!
Izaho mitandrina ny lala-madio,
ny fahamarinana no monina ato amiko!
Izaho miaina amim-po madio ao an-tranoko,
tsy mba mamorona fikasan-dratsy!
Ny mpihatsaravelatsihy dia halako,
tsy ekeko hiraikitra amiko!
Ny mpanebaka namana an-takona,
fongorako,
ny maso mianjona, ny fo miavona
levoniko mihitsy.
Ny masoko dia amin’ny mpino amin’ny tany
mba honenany eo anilako.
Ny mizotra amin’ny lala-madio
no mpanompoko.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy,
ka nanao taminy hoe:
“Aza mitomany.”
Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja,
ary hoy i Jesoa:
“Ry zatovo,
Izaho mandidy anao, mitsangàna.”
Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:
“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”
Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra
izany teny fankalazana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco