8 marsa 2025 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)

• Tany amin'ny manodidina ny 260 km atsinanana somary avaratra atsinanan'i Vohémar, no nisy ny foiben'ilay andro ratsy ao atsinanan'ny Faritra Sava, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Hiakatra fitsarana eny amin'ny Tendrom-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly, na ny PAC, ny alatsinainy 10 marsa 2025, ireo voarohirohy tamin'ny rahararaha fanjavonan'ny cocaïne milanja 200 kg tratra tany Nosy-Be... • Omena lanja manokana mandritra ny hetsika “Foire Internationale de Madagascar”, na ny FIM 2025, ny fisokafan'i Madagasikara amin'ireo firenena afrikanina mivondrona ao amin'ny SADC...

• Voaantso hitondra ny soatoavin'ny Evanjely eo amin'ny fiaraha-monina ny olon-dehibe. Io no manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe, hotanterahana any Morondava amin'ity taona ity... • Aoka isika tsy hihanina amin'ny fomba fiheverana maha olombelona fotsiny, hoy ny Papa François, tamin'ny lahatsoratra nomaniny ho an'ny fandalinam-pinoana ny alarobia lasa teo... • Hotanterahana any Roma, ny 8 sy 9 marsa 2025, ny Jobilin'ny Mpirotsaka an-tsitrapo, ka olona eo amin'ny 25.000 isa eo no heverina ho tonga hanatrika izany...

Tanterahana any Mahajanga nanomboka ny 4 hatramin'ny 8 marsa izao ny fankalazana amin'ny fomba ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy. Loha-hevitra ho voizina mandritra izany ny hoe "fitovian-jo sy fizakan-tena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra"...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...