Ny fianakaviana dia andry voalohany hijoroan'ny fiaraha-monina izay fototra ijoroan'ny Fiangonana sy ny Firenena. Ny tsirairay eo anivon'ny ankohonana dia mila miezaka miara-miaina, mifanohana, mifanampy ary mifanaja, mba hampivelatra, sy ho antoky ny filaminana ara-piaraha-monina. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Nitraotra vokatry ny fahatapahan'ny herinaratry ny JIRAMA, ireo mpanjifa ao Toamasina. Efa tonga any an-toerana ny solika mavesatra 62.000 litatra, hoy ny Minisiteran'ny Angovo... ♦ Hisy fiantraikany ara-bola eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka ho 163, hoy ny Kestora voalohany eny Tsimabazaza... ♦ Tafakatra ho 6.200 Ar ny iray kilao amin'ny siramamy, hanaza izay fiakaram-bidy izay ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

Maro ny mihevitra fa tsy olombelona manan'aina ny tsaika satria kely dia kely eo am-piandohana ary tsy  mbola hita mivantana, mazava tsara ny taova, ny endrika rehetra mandrafitra azy ho manana endrika olombelona ary tsy afaka miaina irery ivelan'ny tenan'ny reniny izy. Ny fanambarana ny zon'ny ankizy tamin'ny 20 novambra 1959 sy ny 20 novambra 1989 dia mankatoa ny zon'ny zaza aloha sy aorian'ny fahaterahany. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

15 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...