Ny olombelona dia natao hameno ny tany, natao hiteraka ao anatin'ny fanambadiana. Tsy resaka fahafinarentana fotsiny fa tena misy antony lehibe no namoronan'Andriamanitra ny fanambadiana. Efa manan-jo ho velona ny zaza manomboka amin'ny fiforonany ao am-bohoka, hita taratra ao anatin'ny didy folo io zo fototra io. Tsy maintsy hajaina sy arovana amin'ny fomba rehetra ny ain'olombelona. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
27 marsa 2024 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)
♦ Hipaka any amin'ny morontsirak'i Sava, rahampitso tolakandro na alina, amin'ny tanjaka Cyclone Tropical na Cyclone Tropical Intense, ilay rivodoza Gamane niforona tao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hahatratra 150 hatramin'ny 165 km/h ny rivotra hiaraka aminy... ♦ Manentana ny tsirairay handray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena amin'ny maha olom-pirenena ny FFKM, amin'ny fifidianana ho avy. Isan'izany ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy...
♦ Tompon'antoka amin'ny fahapotehana sy ny fahantran'ny firenena ny mpanao pôlitika mpamadika palitao, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ny antoko TGV... ♦ Mandray anjara amin'ny fampivoarana ny fanabeazana eto Madagasikara ny orinasa Ravinala Airports. Nanavao ny efitrano sy ny trano famakiam-boky tetsy amin'ny EPP Ivato Tanàna ity orinasa ity... ♦ Nivadika ho rivodoza Gamane, ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimba Indiana...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco