Alahady faharoan'ny Paka sady alahadin'ny famindram-pon'Andriamanitra : mahery ny finoana omban’ny fanantenana sy fitiavana ; nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino. Isika Kristiana dia mitovy amin'ny Thomas, indraindray isika dia tsy mbola matotra amin'ny finoana, sarotra ho antsika ny mino tanteraka ny tenin'Andriamanitra. Ny toetra nananan'i Thomas amin'ny finiavana handalina ny marina momba ny finoana no tokony ho amin'ny kristiana ka mba hazoto handalina ny finoana amin'ny alalan'ny katesisy... Ilana ezaka maro ny maha olom-pinoana...
7 aprily 2024 — Alahadin'ny Famindrampon'Andriamanitra — Alahady Faharoa Fankalazana ny Paka — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Ny mialohan'ny diabeta dia tsy misy fambara mazava ho an'ireo olona manana olana diabeta sokajy faharoa (type II), izay 5 hatramin'ny 10 taona eo ny fihomboany. Ny "pré-diabète" dia amin'ny alalan'ny fitiliana no hamantarana azy ; ireto misy tokony ho fantatra : ny voalohany manao "glicemie à jeûne" tsy misakafo ao anatin'ny 8ora ka [1,10g/l - 1,25g/l] na [6,1mmol/l - 7,1mmol/l ] ny taha, ny faharoa fitiliana "intolerance au glucose". Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tsy mahagaga raha mbola hihidy ny famatsiam-bola ho an'i Madagasikara, taorian'ireny fihetsiky ny fitondrana tamina diplômaty vahiny ireny hoy ny VHT, tamin'ny fanehoan-kevitry ny filoha nasiônalin'ity antoko ity... ♦ Olona 400 any ho any no voarohirohy amin'ny fananana azo avy amin'ny tsy rariny ho an'ny taona 2023, araka ny tatitry ny ARAI. Maro an'isa ny fanaovana kolikoly, sy ny fanodikodinana volam-panjakàna ary ny fanaparam-pahefana... ♦ Velaran-tany an'arivony hekitara no kasaina homena orinasa vahiny any an-tampon'i Ihorombe. Tsy manaiky izany ny fikambanan'ny mpiompy omby any an-toerana ka manaitra ny fitondràna ...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco