♦Andrasana anio eny Alasora ny fanapahan-kevitry ny vondron'ny Kaoperativa mpitatitra UCTU sy ny FMA amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Omena lanja amin'ilay hetsika tsenaben'ny tanora tanterahana eny Mahamasina ireo tanora mpandraharaha ; hetsika izay hifarana anio... ♦ Tsy afa-po amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakàna an-keriny ireo olona manana toe-tena varira ny fikambanana miahy azy ireo... ♦ Nametra-pialana tsy hitondra intsony ny antokon'ny mpandala ny nentim-paharazana ny praiministra britanika Rishi Sunak...

Hoy ny Papa François : miseho amin'ny asa ny vavak'i Abrahama. Ny mivavaka dia mandrakitra eo amin'ny fiainana sy eo amin'ny tantara ny fiombonana amin'Andriamanitra, mankalaza ireo fahasoavan'Andriamanitra efa natolony. Ny vavaka ataontsika dia tokony hitarika antsika handray ny hafa : ireo tsy manan-kialofana ireo mitsoa-ponenana,izay zava-mitranga manahirana ankehitriny. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

6 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

♦ Hampitovy tadin-dokanga rahampitso, amin'ny fanapahan-kevitra horaisaina amin'ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika, ny vondron'ny koperativa UCTU sy ny FMA... ♦ Nampahafantarin'ny MNP nanoloana ireo mpiara-miombona antoka androany, ny paikady ao anatin'ny 5 taona... ♦ Tsy afapo amin'ny sazy omena ireo tafiditra amin'ny fakana an-keriny ireo olona manana toe-tena varira, ny fikambanana miahy azy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...