6 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

Tamin’izany andro izany,
nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe:

“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao,
fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao;
fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba;
fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao,
dia samy maharitra izy roroa.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...