♦ Nitsidika ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy omaly, ny delegasiônin'ny OIF, isan'ireo nanara-maso ny fifidianana Solombavam-bahoaka teto amintsika, tamin'ny alarobia 29 mey... ♦ Tsy mazoto haneho ny safidiny amin'ny alalan'ny fifidianana ny ankamaroan'ny vahoaka Malagasy. Fahadisoam-panantenana manoloana ny fihetsiky ny mpanao pôlitika no antony, hoy ny antoko RDS... ♦ Hitohy hatramin'ny anio ny fandraisana ireo maniry hiofana amin'ny asa eny anivon'ny fiaraha-monina, ao amin'ny ESTS...

Araka ny lalàn'ny Eglizy, "code de droit canonique" tamin'ny taona 1983 ; ao amin'ny Canon 1083 § 1 dia voafaritra mazava tsara fa 14 taona ho an'ny vehivavy ary 16 taona ho an'ny lehilahy, ireo no taona kely sy ambany indrindra hahafahana miroso amin'ny mariazy. Raha sanatria ka lasa alohan'ireo taona faritan'i Eveka tompon-toerana dia tsy maintsy maka fahazoan-dalana manokana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

31 mey 2024 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

♦ Mety ho maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny depiote avy amin'ny lisitra tsy miankina, raha ny fironam-bokatra nivoaka. Tsy afaka hanolotra izay ho Praiminisitra anefa izy ireo, raha izany no misy... ♦ Manomboka mandray fitoriana momba ireo tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny HCC. Efa naharay fitoriana anankiray izy ireo androany... ♦ Nanaovana antso tolo-bidy ny Hôtel 5 Etoiles ety Ivato, ahafahana manokatra ity trano fandraisam-bahiny lehibe ity. Efa maro ireo namaly izany, hoy ny Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa tànana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...